Ted, fanodinan-teny marevaka
Fanolorana 1
Endrika
Ted ho an'ny
Linux: zom-pandikana sy fiambohoan-jo
Ahoana ny fametrahana an'i Ted
Lahatsoratra sy faritoetran-dahatsoratra
Sary
Maniditra sary sy maritsoratra mitendro
Mandika/Mametaka
Mitady sy Manolo Lahatsoratra
Manamarin-tsipelina
Tsoratadidy
Andininy sy ny fanipika
Takelajoro
Tsinjara
Lohapejy, tongopejy, mari-daharam-pejy
Habe sy Sisim-pejy
Manonta avy amin'i Ted, manoratra PDF Acrobat
Mitahiry rakitra ho HTML sy lahatsoratra
tsotra
Mandefa taratasy avy amin'i Ted
Ahoana ny fampiasa an'i Ted ho mpihazon-tahaketsika na
fampiharana mpanampin'i Netscape
Mampiendrika an'i
Ted
Manampy endritsoratra amina fametrahana an'i Ted
Mampakatra endritsoratra amina mpanonta
ParaSora
Mampiasa mpandrindra hoaka hafa noho ny mwm
Anarana filatron'akora
Mampivangongo an'i Ted avy amin-doharano
Mamboatra rakibolan-tsipelina ho an'i Ted
Fankasitrahana
Mpanoratra
Fanolorana
Mpanodin-teny mihodina amina tandrafitra Windows X ao amin'ny Unix/Linux
i Ted. Notefena ho
mpanodin-teny mifaobe tsotra i Ted, ka mitana ny andraikitry Wordpad ao amin'ny Windows-MS. Eo amin'ny fanefany asa dia matanjaka noho ny Wordpad i Ted. Mikatsaka ny marimaritra an-keban'ny fahatsoran'ny Wordpad sy ny fahavitan'ny MS-Word
asa izy. Mazava ny fahabangan'ny fahafaha-mitendry taratasy sy
kisila-tsoratra ary tatitra tsotra amina milina Unix/Linux. Diso matetika
loatra ny tranga mahavoatery ny tena hitodika mankamin'ny milina
MS-Windows mba hanoratra taratasy na rakitra. I Ted dia natao handrarian-drakitra misy lahatsoratra marevaka ao
amin'ny Unix/Linux amin'ny fomba “i.ta.n.a”
(izay-tazana-no-azo).
Nitana anjara toerana
lehibe teo amin'ny famolavolana an'i Ted ny fifampifanarahana azy sy ny fampiharana be mpahalala MS-Windows. Ny rakitra tsirairay vokatra
avy amin'ny Ted dia
tsy maintsy eken'ny Word
ho tahiry .rtf [RevaTsoratraFirafitra] manara-dalana, ary amin'izany
dia tsy misy latsaka ny fandrafetana sy ny ampahalalaina. Sarotra
tanterahina kokoa ny fifampifanarahana mifamadika amin'io.
Mahazaka ny
endri-pandrafetana maro amin'ny fampiharana
Microsoft i Ted. Hadinoiny ny torolalam-pandrafetana sy ny fahalalam-piovana
hafa.*). Rehefa manadino ny fandrafetana tsy zakany i
Ted dia manandrana mametraka ny lahatsora-drakitra
manontolo eo ambony fandisana na mandefa azy mankany amin'ny mpanonta.
Afaka ampiasaina hamakian-kafa-malady voarafitra alefa miainga amina milina Windows mankamin'ny Unix i Ted, na hanontan-drakitra mirafitra RTF, na hamadian-drakitra
mirafitra RTF hirafitra Acrobat PDF. Hazavaina etsy ambany ny
fampiendrehana an'i Ted
ho toy ny mpijery ao amin'i Netscape, sy ny fomba famadihan- drakitra mirafitra RTF ho PDF amin'ny
alalan'i Ted sy GhostScript.
Manantena aho fa ho hitanao fa hilainao i Ted. Mba ampahalalao azafady ny vaniny
ho hitanao mba hahafahako mamboatra azy.
*) Tsy voatahiry koa ny fahalalana
nohadinoina sasany rehefa ovainao ary avy eo tahirizinao amin'i Ted ny rakitra iray.
Endrika
•
Fandrarian-dahatsoratra marevaka Itana. Azonao ampiasaina daholo
ny endritsoratra rehetra izay sady manana tahiry .afm no afaka ampiasaina
ho endritsoratra X11. I Ted
dia mivoaka miaraka amin-tahiry .afm ho an'ny endritsoratra Adobe izay afaka ampiasaina ao anaty
rafi-Tsoratava sy anatin'ny mpanonta parasora rehetra: Times, Helvetica,
Courier, ary Symbol. Ny endritsoratra sasany dia
azo anampiana miaraka amin'ny fanatontosana X11 mahazatra. Zakan'i Ted ny toetra mampiavaka ny
endritsoratra toy ny matevina sy mandry; torak'izany koa ny mitsipika
sy milady ary miantona.
•
Ny Microsoft RTF
no ampiasain'i Ted ho
fandrafetan-tahiry reniny. Afa-mamaky tahiry vokarin'i Ted ny Microsoft Word sy Wordpad. Raha ny mahazatra dia
afa-mamaky tahiry mirafitra .rft avy amin'ny
Microsoft Word sy Wordpad i Ted. Koa
satria tsy mahazaka ny endriky ny Word rehetra i Ted
dia mety ho very ny fahalalam-pandrafetana sasany.
•
Sariteboka an-dahatsoratra sy tahirin-tsary fitana
•
Fanontana ParaSoran-drakitra sy fandravahana. Ny tahiry ParaSora
voatahiry dia miaty marika pdf izay avadika ho rohibe rehefa avadika ho PDF Acrobat.
•
Manamarin-tsipelina amina teny latina roa ambin'ny folo.
•
Mandefa rakitra mivantana avy amin'i
Ted. Ny hafatra mirafitra HTML dia hafatra maro
fizarana misy sary rehetra.
•
Manety/Mandika/Mametaka, amin'ny fampiharana hafa koa.
•
Fanipika: Fikinifinifin'ny andininy, Fikinifinifin'ny
andalana voalohany, Kihebaheba. Fanipika Mandika/Mametaka.
•
Lohapejy sy tongopejy. Mari-daharam-pejy anaty lohapejy sy
tongopejy.
•
Takelajoro: Manisika Takelajoro, Tsivalana, Tsanganana. Manova
sakan-tsanganan-takelajoro amin'ny fanipika.
•
Zaka tanteraka ny Sariohatra sy maritsoratra mitendro.
•
Mitahiry rakitra amin'ny rafitra HTML.
•
Angamba ny fandravahana tsara indrindra ny azonao atao amin'i Ted dia ny fandraketana izay natao
tamin'i Ted.
Ity ny fandraketana ho an'i Ted 2.10.
Ted ho an'i Linux:
zom-pandikana sy fiambohoan-jo
Rindranasa bojo i Ted. Te-handray anjara amin'ny
fampielezana an'i Linux
ho lapihazo azo iriranana ho ana mpankafy haitaon-tsolosaina aho amin'ny
fanaovako an'i Ted ho
azo alaina amin-kalalahana. Satria rindranasa bojo i
Ted dia manasa tanana amin'izay fiantraikan'ny
fampiasana azy aho. Miankina aminao ny fanapahan-kevitra ny amin'ny
mampety na tsy mampety an'i Ted amin'ny tanjonao. Zaraina tsy misy
fiantohana na dia kely aza i
Ted araky ny fifanarahana ao amin'ny GNU
Public Licence.
Ny fametrahana an'i Ted
Arakaraky ny lapihazo sy
ny karazam-pizarana ny fametrahana an'i Ted. Azo ampidinina avy ao amin'ny tanana ftp://ftp.nluug.nl/pub/editors/Ted ny fizarana mimari-droa ho an'i Linux Intel ix86.
Atolotry ny unc metalab:[http,ftp]://metalab.unc.edu/pub/packages/editors/Ted ny fitaratra amerikana iray.
Miendrika fandraketan-kaitra mifatratra sy fonosa-mpandrindra ny Red Hat (RPM) ny fizarana. Mety ho azo
alaina avy amina kapila mifatratra ny fizarana mimari-droa hafa. Jereo ny
tanana an-tranokalan'i Ted http://www.nllgg.nl/Ted raha mila fanazavana amboniny na fahalalana nivoaka tato ho
ato.
Raha hametraka an'i Ted na ny iray amin'ireo
fonosan-toerana ao amin'ny fonosana RPM dia mitsofoha amin'ny
maha-faka ary omeo ny baiko rpm -i
<package-details>.rpm . Raha
hanondro-drafitra miainga amina endritsehon'i
Ted taloha dia omeo ny baiko
rpm -U <package-details>.rpm.. Ny azo
tanterahina ao amin'ny fonosana mimari-droa dia midoko fitohy, noho
izany dia tsy misy fifampiankinana eo amin'ny tranomboky iombonana.
Raha tia tranomboky iombonana sy ny piritsony ianao dia ianao ihany no mila
manangona an'i Ted.
Mety tsara kokoa ny
fametrahana avy amina fandraketan-kaitra mifatratra raha afangaro ny
kisora-pametrahana installTed.sh
sy ny tahiry Linux Software Map (LSM) mifanitsy aminy. Ampidino ao amina
lahatahirin-drango-pohy toy ny /tmp ny tahiry; mitsofoha amin'ny
maha-faka; ampandehano avy ao amin'io lahatahiry io ny sh installTed.sh. Raha tsy afa-mitsofoka amin'ny maha-faka ianao dia afaka
mampandeha ny baiko sh installTed.sh PRIVATE. Avy eo dia milaza aminao izay ho aiditra ao amin'ny
tahiry .Xdefaults na .Xresources ny kisora-pametrahana fametrahana mba hahavanona ny
fametrahana.
Afaka sokafanao tanana
ny fonosan-pandraketan-kaitra mifatratra raha toa tsy tia fametrahana mora
ianao. Izany dia vinanian'ilay rindranasa fa ataonao ao amin'ny
/usr/local. Ao amin'ny /usr/local/afm no mivalona ny tahiry mimetatry
ny endritsoratra Adobe, ary ao amin'ny /usr/local/ind ny
rakibolam-panamarinan-tsipelina. Napetraka ho /usr/local/info/TedDocument.rtf io rakitra an-tserasera
io. Napetraka ao amin'ny /usr/local/info ny tahirim-bovom-pampiharana,
ohatra, Ted.ad.sample.
Afaka manova ireo toerana ireo ianao amin'ny fampitohizana ny vovo X11
toy ny .Xdefaults na .Xresources, ohatra, raha toa ka manapa-kevitra ny
hametraka an'i Ted any
an-toeran-kafa. Jereo ny tsinjara momba ny fampiendrehana eo ambany. Aza
hadinoina ny miantso ny umask 0 alohan'ny hanokafanao ny fonosana.
Azo atao koa ny
manangona an'i Ted avy
amina loharano. Jereo ny torolalam-panangonana any amin'ny faran'ity
rakitra ity.
Topy maso an'ireo fonosana samihafa:
Fonosana
|
Fonosana RPM: tahiry
|
Fandraketan-kaitra, tahiry LSM
|
Fonosana mimari-droa tsotra ho an'i
Intel Linux. ( misy tsipelin' anglisy amerikana)
|
Ted:
|
|
Mametraka kisora-draki-pandraketan-kaitra sy
kisoratra LSM Install ho an'ny jarirakitra Tar sy tahiry LSM
|
|
|
Tsipelina sy hafatra alemana
|
Ted_nl_NL: ')
|
|
Tsipelin'anglisy biritanika
|
Ted_en_GB: ')
|
|
Tsipelina sy hafatra alemana
|
Ted_de_DE: ')
|
|
Tsipelin'esipaniola
|
Ted_es_ES: ')
|
|
Tsipelim-portigizy
|
Ted_pt_PT: ')
|
|
Tsipelina sy hafatra frantsay
|
Ted_fr_FR: ')
|
|
Tsipelina italiana
|
Ted_it_IT: ')
|
|
Tsipelina sy hafatra tseky
|
Ted_cs_CZ: ')
|
|
Tsipelina sy hafatra danoa
|
Ted_da_DK: ')
|
|
Tsipleina soedisy
|
Ted_sv_SE: ')
|
|
Tsipelina norveziana
|
Ted_nb_NO: ')
|
|
Tsipelina polonezy
|
Ted_pl_PL: ')
|
|
Tsipelina sy hafatra slovakiana
|
Ted_sk_SK: ')
|
|
Hafatra hongoriana
|
Ted_hu_HU: ')
|
|
Loharano #)
|
Ted:
|
|
Oha-drakibolan-tsipelina @)
|
|
|
rtf mankamin'ny pdf
rtf mankamin'ny PostScript
|
|
|
')
Novana anarana ny
fonosan-tsipelina nanomboka tamin'ny Ted 2.6 mba hifanaraka amin'ny fifanaraham-panomezana anarana.
Raha mitaraina mombana fifanoherana ny rpm dia esory azafady ny fonosana
taloha manohitra izay mampiasa ny baiko rpm -e
old_package.
#)
Azafady vakio ny torolalam-panangonana any amin'ny
faran'ity rakitra ity alohan'ny hanombohanao ny fanangonana an'i Ted. Fohy sady tsotra ireo torolalana
ireo.
@)
Azafady mitodiha mankamin'ny fanazavana any amin'ny
faran'ity rakitra ity.
")
Ho an'ireo teny izay mampiasa ny kivorin-endritsoratra
Latina 2 dia ny endritsoratra Latina 2 no tsara indrindra. Fehezana
ilain'ny endritsoratra Latina 2 ny fonosana ult1mo. Tsy manome
ZoroMandry ho an'ny endritsoratra matevina mandry ny endritseho
ankehitriny. Mila manisika zoro miiba an-tanana mba hahalavorary ny
fiasan'ny Ted.
Mitendre fotsiny raha
hampiditra lahatsoratra. Misisika eo amin'ny toeram-panisifana izay
miendrika hitsy mijoro mipipika ao anaty lahatsoratra izay tendrenao. Raha
misy fari-dahatsoratra navohitra dia misolo ny faritra manontolo izay
tendrenao. Azo fafana amin'ny fanendry hebaivoho ny maritsoratra
tokana. Ny endritsoratra eo alohan'ny toeram-panisifana no fafan'io
fanendry io. Ny fanendry Mamafa (Delete) dia mamafa ny endritsoratra eo
aorian'ny toeram-panisifana. Ny fanendry Hebaivoho (Backspace) sy
Mamafa (Delete) dia mamafa fari-dahatsoratra navohitra, raha misy izany.
Raha mamafa ny endritsoratra eo alohan'ny toeram-panisifana ny
fanendry hebaivoho dia tian'ny fiendrehan'ny X11 ao aminao ho
fanendry Mamafa (Delete) izy. Mitodiha mankao amin'ny tsinjara momba
ny X11 etsy ambany raha mila antsipirihany.
Azo afindra amin'ny
fanendry tondro ny toeram-panisifana, na amin'ny fipihana ny bokotra
havian'ny totozy eo amin'izay toerana irina hisy azy. Ny fanendry
`Antrano' (Home) dia mamindra ny toeram-panisifana mankany amin'ny
lohan'ny andalana. Ny fanendry `Farany' (End) dia mamindra azy
mankany amin'ny faran'ny andalana. Azo taritina ny
fari-dahatsoratra navohitra rehefa tazonina mifoletaka ambany ny bokotra
havian'ny totozy. Azo atao koa ny mifantina fari-dahatsoratra amin'ny
fanendry izay mamindra ny toeram-panisifana: Tsindrio ilay fanendry sady
ajanony ambany ny fanendry manisaka (Shift). Asehon'i Ted anao amin'ny alalan'ny
tokontany manga tanora nosoritany ho temotry ny faritra mivohitra izay
navohitrao.
Raha hanova ny
endritsoratra ao amin'ny faritra mivohitra dia ampihetseho ny
fitaovan-Endritsoratra amin'ny fipihana ny safidy
`Fitaovan-Endritsoratra' eo amin'ny sakafo `Endritsoratra'.
Asehony anao ny endritsoratra ao amin'io faritra mivohitra io. Fidio
eo amin'ny Fitaovan'Endritsoratra izay endritsoratra tianao
hampiasaina amin'ny faritra mivohitra, avy eo tsindrio ny bokotra
`Mampijadona'. Rehefa misafidy endritsoratra iray ao amin'ny
Fitaovan'Endritsoratra ianao dia mitranga eo amin'ny
endritsoratra nosafidiana ny anarany. Miseho eo amin'ny iray amin'ny
endritsoratra nosafidiana ny fanoritsoritana ny fisafidianan'endritsoratra
maro karazana. Azonao averina ampifanarahana amin'ireo endritsoratra
ao amin'ny faritra mivohitra ny Fitaovan'Endritsoratra amin'ny
alalan'ny bokotra `Tampody'.
Manamora ny fampiasana
faritoetran-dahatsoratra mitovy ao amina tsinjara samy hafa ao amin'ny
lahatsoratrao ny safidin-tsakafo “Mandika Endritsoratra” sy `Mametaka
Endritsoratra. Avohiro ny toerana misy endritsoratra tianao hampiasaina any
an-toeran-kafa dia piho ny safidy `Mandika Endritsoratra. Avy eo dia
avohiro ny fari-dahatsoratra iray ary piho ny safidy `Mametaka
Endritsoratra.' Lasa manana ny faritoetr'ilay lahatsoratra
nadikanao avy tamin'ny toerana voalohany ilay faritra mivohitra.
Feran' ny
fehezan-javatra ao amin'ny tahiry .afm ao amin'ny /usr/local/afm
ny fehezan'endritsoratra azon'i Ted ampiasaina. Izay endritsoratra manan-tahiry mimetatra ao ihany
no azo ampiasaina. Mampiasa fampitrandrahana mifototra amin'ny
anaram-pianakavian-endritsoratra sy ny faritoetran-endritsoratra i Ted mba hahitana endritsoratra X11
manana endritsoratra afaran-tsoratra (parasora). Mitodiha mankany amin'ny
tsinjara momba ny fanampiana endritsoratra misy zotran-kirakira
fampiraisana ny endritsoratra X11 sy endritsoratra Parasora amin'ny
fomba mangalahala. Izay endritsoratra ahafahana mahita endritsoratra X11
ihany no azo ampiasaina avy amin'i Ted. Marihina fa ho an'ireo endritsoratra ao anaty
vondron-tsoratra hafa noho ny vondron-tsoratra Latina 1 dia mila manana
famari-tomboka marina ny tahiry AFM sy ny endritsoratra X11 ary ny
endritsoratry ny mpanonta. Ny endritsoratra ao amin'ny famari-tomboka
mifaobe Adobe ihany no averin'i Ted marihin-tomboka. Ny endritsoratra hafa rehetra dia ampiasaina
tsy misy fanovana.
Azonao ampiasaina koa ny
safidy eo amin'ny sakafo `Endritsoratra' raha hanova
faritoetran-dahatsoratra tsotra toy ny `Matevina,' `Mandry,'
sy `Mitsipika.' Ny
Lady sy Miantona dia manambara ny toeran'ny 2 ao amin'ny H2O sy x2, raha asesy.
Mampiseho
ny Fitaovan'Endritsoratra ireto fandravahana manaraka ireto.
Sary
Afaka mampidi-tsary ao
anaty lahatsoratra ianao. Mba hanaovanao an'io dia fanteno ny safidy
`Mampiditra Sary' eo amin'ny sakafo `Manisika.' Avelan'ny
tahiry mpampifidy misafidy tahirin-tsary ho aiditra anaty lahatsoratra
ianao. Zaka ny tahirin-drafi-tsary fampiasa matetika toy ny tiff, bmp, xwd,
sy jpeg. Azo atao koa ny mameta-tsary avy amina fampiharana X11 hafa.
Indrisy anefa fa voafetra ihany ny isan'ny fampiharana X11 izay tena
mahazaka ny Mandika/Mametaka sary.
Raha hanova haben-tsary
dia piho indroa amin'ny alalan'ny bokotra havian'ny totozy
ilay sary. Mipoitra ny efajoro valo fanovana habe. Manova ny haben'ny
sary ny fisarihana ny efajoro avy eo ambany na avy eo amin'ny
havanana. Ity manaraka ity dia sary eo am-panovana habe.
Mampiditra sariohatra sy endritsoratra mitendro
Afaka mampiasa ny
fitaovana fitsongo sariohatra ianao raha hampiditra sariohatra voatokana ao
anaty lahatsoratra. Fidio ny `Mampiditra Sariohatra' ao amin'ny
sakafo `Sariohatra' ao amin'ny sakafo `Manisika' na ny
sakafo `Fitaovana' mba hampihetsika azy. Asehon'ny fitsongo
sariohatra ny endritsoratra rehetra azo ampiasaina amin'ny
endritsoratra miasa ankehitrio. Azonao atao na ny misafidy sariohatra dia
manindry ny bokotra `Manisika,' na koa manapika indroa ny sariohatra
ilaina. Azo safidiana amin'ny fitsongo endritsoratra eo ambony
sariohatra ny sariohatra avy amina fianakavian-endritsoratra hafa.
Azo tendrena mivantana
ny endritsoratra mitendro mahazatra. Mahazaka fanendry mamboatra ny fomba
famahanana ao an-toerana izay navangongo ao amin'ny tranombokin'ny
X11 raha toa ka voamari-tomboka ara-dalana ny mpandrindra X11 ao aminao.
Ahafahanao manisika endritsoratra mitendro ny fanendry <mamboatra>
amin'ny fitendrena an'ireto: <Mamboatra> <Taratasy>
<Tendro>, na <Mamboatra> <Tendro> <Taratasy>.
Rehefa endritsoratra `ascii' mitovy endrika amin'ny tendro ilaina
ny <Tendro> dia manome á ny E.G. <Mamboatra> a '.
Ohatra hafa: manome ½ ny <Mamboatra> 1 2.
Mazana dia petahana
anarana `Scroll Lock' ny fanendry `Mamboatra' amin'ny
hela-panendrin'ny solosain-tsamirery (SoSa) mba hampahatsikaiky anao.
Mitodiha ao amin'ny adininy momba ny fampiendrehana X11 izay misy
fanamarihana fanampiny.
Mandika/Mametaka
Mahazaka ny
Mandika/Mametaka i Ted avy
amin'ny tenany ihany sy avy amin'ny fampiharana X11 hafa. Afaka
mitadidy sila-dahatsoratra na sary ianao amin'ny alalan'ny
safidin-tsakafo `Mandika.' Ny safidin-tsakafo `Mandika' dia
ahafahanao mametaka ny lahatsoratra notadidina any an-toeran-kafa ao
amin'ny rakitra iasana ihany, na any amina rakitra hafa.
Eo anivon'ny
rakitra Ted ihany no zaka
ny Mandika/Mametaka amin'ny lahatsoratra voarafitra *).
Azo ampifanakalozina
amin'ny ankamaron'ny fampiharana Ted ny kofehin-dahatsoratra iva rafitra toy ny kihebaheba sy
andalanavaovao.
Zaka eo anivon'ny
hoaka Ted, sy eo anivon'ny Ted sy Scan ny Mandika/Mametaka sary, ary voatazona ny
toetran-drefim-piendrehana. Azo ampiasaina miaraka amina fampiharan-tsary
mirona amin'ny X11 ka mahazaka fampifanakalozana voafantina PIXMAP koa
ny Mandika/Mametaka. Very ny toetram-pari-drefy amin'ireny fampiharana
ireny, toa ny xmag sy xpaint.
Ao amin'ny
mari-tomboka dia misy tobim-piasana voatokana mba hiaraha-miasa amin'ny
zotran-kirakira Mandika/Mametaka izay tanterahin'ny xv samirery miaraka amin'ny toetra
miavaky ny hoaka X11 ao amin'ny hoakan'ny faka. Ireo X11
voafantina ka manaraka ny fifanarahana X11 Inter-Client Communications
Manual (ICCCM) (Boky Fifanakalozan'ny Samy Mpanjifa) dia mahazo vahana
foana alohan'ireo avy amin'ny xv. Mampiavaka ny fomba fanatanterahan'ny xv ny hela-tsilaka ao aminy io, izay tsy
helingelina ao amin'ny Ted.
Afaka mifehy ny
Mandika/Mametaka-n'ny zava-drehetra afa-tsy ny lahatsoratra tsotra ao
amin'ny rindranasa ny Mpamboatra Netscape sy ny Gimp. Io no mahatonga
ny tsy fahafaha-manao Mandika/Mametaka amin'ny rindranasa izay manao
ny Mandika/Mametaka amin'ny fomba fanao amin'ny X11 toa an'i Ted.
*)
Ara-kevitra dia mety hahazaka azy ny fampiharana hafa:
safidy=PRIMARY, tigetra=RTF; rakitra rft feno ny atin'ny hoakan-toetra
mampiavaka izay ampifanakalozina.
#)
Ara-kevitra dia mety hahazaka azy ny fampiharana hafa:
safidy=PRIMARY, tigetra=PNG; sary png feno ny atin'ny hoakan-toetra
mampiavaka izay ampifanakalozina.
Mitady sy Manolo Lahatsoratra
Afaka mitady
sila-dahatsoratra sasany amin'ny `Fitaovana Mizaha' ianao. Afaka
mampihetsika ny `Fitaovana Mizaha' amin'ny fisafidiana ny
`Mizaha' eo amin'ny sakafo `Fitaovana,' na amin'ny
fitendrena Geja-F (Control-F). Manana fahitra roa ny fitaovana Mizaha.
Azonao aiditra eo amin'ny fahi-dahatsoratra eo amin'ny fahitra
voalohany ny lasitra zahanao. Azonao aiditra ao amin'ny fahitra
faharoa ny asolo toerana. Mizaha ny poitry ny lasitrao manaraka ao anaty
rakitra ny bokotra `Mizaha.' Mikaroka manao dia mihanoitra ao amin'ny
rakitra ny bokotra `Anoloana.' Rehefa hita ny lasitra dia azonao
aiditra ny asolo toerana ary tsindrina ny bokotra `Manolo' mba
hanoloana ny lasitra amin'ny asolo toerana. Lala-manitsin'ny
`Manolo' sy `Manaraka' avy eo ny bokotra `Manolo,Manaraka.'
Ny andraman'ny Ted zahana ao anaty lahatsoratrao dia
tsy sila-dahatsoratra fotsiny fa fiteny manara-pitsipika arakaraky ny
lanjan'ny fahi-pamarika eo ambanin'ny lasitra.
Fitaovam-pizahan-tsila-dahatsoratra samy hafa indray mifaoka ny fiteny
manara-pitsipika. Raha ny tokony ho izy dia tsy ho voasintona hampiasa
fiteny manara-pitsipika mihitsy ianao. Afaka mampihetsika ny fahi-pamarika
ny mpampiasa avo fahaizana raha hijery tandrifin-teny manara-pitsipika.
Nindramin'i Henry
Spencer avy tao amin'ny tranomboky regex ny fiteny manara-pitsipika
trandrifin'ny haikajy ao amin'ny Ted. Azafady jereo any amin'ny fankatelemana ny antsipirihany.
Ity dia tsongaiko avy amin'ny matoan-drakitsoratr'i Henry
Spencer: (Azafady, tokony ho fantatry ny mpampiasa mihelina fa izy dia tsy
mila mampiasa na mahazo ny atao hoe fiteny manara-pitsipika.)
DRAFI-PITENY
MANARA-PITSIPIKA
Ny
fiteny manara-pitsipika dia sampana aotra na mihoatra, ary sarahan'ny
`|'. Mifanandrify amin'izay rehetra mifanandrify amin'ny
sampana iray amin'ireo sampana ireo izy.
Ny
sampana dia silaka aotra na mihoatra, miray rohy. Izy dia mifanandrify
amina tandrify voalohany, arahina tandrifin'ny faharoa, sy ny sisa.
Ny silaka dia tsivaky
mety ho arahin'ny `*', `+', or `?'. Ny tsivaky
arahin'ny `*' dia mifanandrify amina fisesim-banin'ny
tandrifin'ny 0 na mihoatra ao amin'ny tsivaky. Ny tsivaky
arahin'ny `+' dia mifanandrify amina fisesin'ny tandrifin'ny
1 na mihoatra ao amin'ny tsivaky. Ny tsivaky arahin'ny `?'
dia mifanandrify amina tandrifin'ny tsivaky, na tandrifin'ny
tohivakana foana.
Ny tsivaky dia fiteny
manara-pitsipika anaty fononteny (mifanandrify amina tandrifin'ilay
fiteny manara-pitsipika), kiheba (jereo eo ambany), `.' (mifanandrify
amina endritsoratra iray), `^' (mifanandrify amin'ny tohivakana
foana eo amin'ny fiantombohan'ny fahan'ny tohivakana), `$'
(mifanandrify amin'ny tohivakana foana eo amin'ny fiafaran'ny
fahan'ny tohivakana), `\' arahin-endritsoratra tokana
(mifanandrify amin'io endritsoratra io), na endritsoratra tokana tsy
misy heviny mampiavaka hafa (mifanandrify amin'io endritsoratra io)
Ny kiheba dia
fisesin-endritsoratra fonosina ao anatin'ny `[]'. Raha ny tokony
ho izy dia mifanandrify amina endritsoratra tokana rehetra avy amin'ilay
fisesy izy. Raha manomboka amin'ny `^ ny fisesy dia mifanandrify amina
tarehintsotra tokana rehetra tsy avy ao amin'ny ambin'ny fisesy
izy. Raha toa sarahina `-' ny endritsoratra roa ao anaty fisesy dia
fanafohezana ny lisitra fenon'ny endritsoratra ASCII eo anivon'izy
samy izy (oh: ny `[0-9]' dia mifanandrify amina tarehimarikampolony
rehetra). Raha ampidirina ao anaty fisesy ny litera faka `]' iray dia
ataovy endritsoratra voalohany (manaraka ny `^', ohatra). Raha
ampidirina ny litera faka `-' iray dia ataovy tarehintsotra voalohany
na farany.
MANJAVOZAVO
Raha toa ka afaka
mifanandrify amina silaka roa samy hafa ao amin'ny tohivakam-pahana ny
fiteny manara-pitsipika iray dia ilay silaka iray manomboka voalohany no
hifandrifiany. Raha toa ka toerana iray no iantombohan'izy roa nefa
manandrify halava samy hafa izy na manandrify halava mitovy amin'ny
fomba samy hafa dia mihamisavoritaka kokoa ny raharaha arak'ireto
manaraka ireto:
Amin'ny ankapobeny
dia raisina ho filaharana havia-miankavanana ny iriky ny fitranga ao
amin'ny lisi-tsampana, ny iriky ny fitrangan'ny `*' sy `+'
ary `?' dia raisina amin' izay-lava-indrindra-aloha, ny
andiam-pononkevitra mifampisoboka dia raisina avy amin'ny ivelany
indrindra mankany anatiny, ary ny tangoron-dravona miray rohy dia raisina
miainga amin'ny havia indrindra. Ny tandrify ho fidina dia izay
mampiasa ny iri-pitranga aloha indrindra ao amin'ny safidy voalohany
izay voatery hatao. Raha toa ka misy safidy mihoatra ny iray dia atao
mitovy ny fomba fifidianana manaraka (izay iri-pitranga aloha indrindra)
mifandraika amin'ny fanapahan-kevitra momba ny safidy voalohany. Dia
toa izay hatrany.
Ohatra, ny `(ab|a)b*c'
dia mety hanandrify ny `abc' amin'ny fomba iray anatin'ny
roa. Ny safidy voalohany dia izay iray amin'ny between `ab'
and `a'; noho i `ab' mialoha sady mitarika tandrify faobe
mahomby dia fidina izy. Noho i `b' efa voaresaka, ny `b*' dia
tsy maintsy manandrify ny iri-pitrangany faranyilay tohivakana
foanasatria tsy maintsy manaja ny safidy teo aloha izy.
Amin'ny tranga
miavaka izay tsy misy `|' ary misy `*', `+', na `?'
iray fotsiny, ny vokatra misongadina dia ny fifidianana an'izay
tandrify lava indrindra. Noho izany, ny `ab*', aseho amin'ny
`xabbbby', dia hanandrify ny `abbbb'. Marihina fa raha andramana
amin'ny `xabyabbbz' ny `ab*' dia hanandrify ny `ab' ao
aoriana am-pototry ny `x' noho ilay fitsipika
manomboka-amin'ny-aloha-indrindra. (Amin'ny fampiharana, ny
fahapahan-kevitra momba ny toerana hanombohana ny fanandrifiana no safidy
atao voalohany, koa tsy maintsy manaja an'io ny safidy misesy manaraka
rehetra na dia mitarika mankamina solon-tsafidy tsy tiana kokoa aza izany.)
Manamarin-Tsipelina
Ny
fitaovam-tsipelina dia hanamarinana ny tsipelina ao amin'ny rakitra
iasanao. Afaka mifantina ny teny tianao hampiasaina amin'ny
fanamarinan-tsipelina ianao amin'ny alalan'ny sakafo ao amin'ny
fahi-drakibolana. Voatanisa ao amin'ny sakafon-drakibolana daholo ny
raki-teny ao amin'ny /usr/local/ind #)
Ahafahanao
mampanjifa ny rakibolanao ny bokotra `Ianarana' sy `Hadinoina' ao
amin'ny fahi-drakibolana. Mitsofoka ao anaty rakibolana ny teny ao
anaty fahi-dahatsoratra ambanin'ny tandahatry ny vinaniana amin'ny
alalan'ny bokotra `Ianarana,' ary miala avy ao anaty rakibolana
amin'ny alalan'ny bokotra `Hadinoina.' Jereo eo ambany ny
fanoritsoritana ny rakitra ampiasaina hanjariana ny fanovan-drakibolana
ataonao.
Mizaha ny teny tsy hay
manaraka ny bokotra `Jerena Manaraka.' Raha mahita teny iray i Ted dia manandrana mizaha teny
mitovitovy ao anaty rakibolana ary maneho azy ireo eo amin'ny
tandahatry ny vinavinaina. Ny fipihana teny ao amin'ny tandahatry ny
vinavinaina dia mampirina ilay teny ao anaty fahi-dahatsoratra eo
ambanin'ny tandahatra. Mampiasa ilay teny voavohitra hitsarana ny teny
ao anaty lahatsoratra ny fipihana azy indroa.
Tsy mijery ny teny tsy
hay ny bokotra `Tsijerena.' Tsy taterina ho teny tsy hay intsony ilay
teny mandra-panajanonana an'i Ted. Mizaha ny teny tsy hay manaraka i Ted. Mizaha ny teny tsy hay manaraka ny bokotra `Mizaha Manaraka.'
Mampiasa ny teny ao anaty boaty eo ambany lisitra ny bokotra `Tsaraina'
mba hitsarana ny teny ao anaty lahatsoratra. Mijery teny mitovitovy amin'ny
teny ao anaty boaty eo ambanin'ny lisitra ny bokotra `Vinavinaina.'
Dindon'ny
fitaovan-tsipelina ity ambany ity.
Mitoby amina rafitra
tampony vakiteny-fotsiny ny rakibola-matoandrafitra. Ho an'ireo tia
karokaroka haitao: Ny dindon-tadina famoizan-tena efa farany kely no
mahatadidy ny teny rehetra ao anaty rakibolana. Be itovizana amin'ny tries-n'i Donald Knuth ny
firafitr'angona. Mitoby ao amin'ny tahiry <Language>.changes
ao amin'ny lahatahirina mpampiasa $HOME/.Dictionaries ny fihatahana
amin'ny rakibola-matoandrafitra. Isaky ny manindry ny bokotra
`Ianarana' na `Hadinoina' ny mpampiasa dia miampy andalana iray
ny tahirim-panovana. `F' na `L' (`H' na `I' amin'ny
teny gasy: `Hadinoina' na `Ianarana') ny endritsoratra voalohany
amin'ny andalana, heba ny endritsoratra faharoa, ilay teny na
andianteny ho ampiana na ho esorina ny ambin'ny andalana. Manan-danja
be ny filaharan'ny andalana ao anaty tahiry satria tsy averina alamina
mihitsy ny tahiry. Ohatra, rehefa misy teny ampiana dia avy eo esorina
indray.
#)
Na
any an-toeran-kafa. Jereo ny fanovozana Ted.spellToolSystemDicts.
Rohibe sy tsoratadidy
Raha hanova
fari-dahatsoratra ho rohibe dia avohiro ilay lahatsoratra, fidio ny safidy
`Rohibe..' eo amin'ny sakafo `Manisika,' ary ampidiro ny
toeran-kitodihan'ny rohy ao amin'ny diniky ny 'Rohibe..'.
Azo ampiasaina amin'ny fanovana, fanesorana, ary fanjohian-drohy koa
ny dinika
'Rohibe..'.
Ampidiro ao amin'ny
sehatry ny `Rakitra' ny anaran-drakitra na pejy an-tranokala tianao
hampirohizina. Rehefa avelanao ho foana ny sehatry ny `Rakitra' dia
mankao amina tsoratadidy ao anaty rakitra ihany ny rohy.
Ampidiro ao amin'ny
sehatry ny `Tsoratadidy' ny anarana tsoratadidy. Mankao amin'ny
rakitra amin'ny maha-iraitsimivaky azy ny rohy rehefa avelanao ho
foana ny sehatry ny `Tsoratadidy.' Afaka misafidy tsoratadidy ao
amin'ilay rakitra miseho eo ianao raha tsy misy rakitra miseho ao
amin'ny sehatry ny `Rakitra.' Raha ny ara-dalana dia misy rohibe
voavoatra avy amin'ny lahatsoratra izay efa navohitrao ao anaty
rakitrao. Misy rohy miavaka telo karazana azo ampiasaina amin'ny rohy
vaovao mankao amin'ny rakitra:
•
Rohy ho Mari-Daha-Pejy. Miseho ho ny mari-daha-pejin'ny
fiantombohan'ny tsoratadidy ny rohy. Tena ilaina io indrindra amin'
andianteny toy ny `Jereo ny fanazavana ao amin'ny pejy 36. Mandeha ho
azy ny fampifanarahan'i Ted ny mari-dahapejy rehefa mihetsika ny tsoratadidy na miova ny
fisehon'ny rakitra.
•
Rohy ho Lahatsora-Tsoratadidy: Miseho ho ny lahatsoratry ny
tsoratadidy ny rohy. Tena ilaina io indrindra amin' andianteny toy ny
“Hazavaina ao amin'ny tsinjara
Salan'isa-Maripanan-Taona io.”
•
Rohy ho Lahatsora-Tsoratadidy sy Mari-Dahapejy: Miseho ho
lahatsoratry ny tsoratadidy arahina kiheba sy mari-dahapejin'ny
fiantombohan'ny tsoratadidy ny rohy. Tena ilaina io indrindra rehefa
te-hanorina fizahan-takila ianao. Manova ny toeran-kitodihana rohibe misy
na mamboatra rohy vaovao amin'ny karazana tiana ny bokotra `Afantsona
Rohy.'
Manjohy rohy ny bokotra
`Zohina Rohy.' Raha mankao amina toerana anatin'ny rakitra ihany
io dia fantenan'i Ted
ilay toerana. Raha mankany amina rakitra anaty solosaina ihany io dia
andraman'i Ted
sokafana ilay rakitra. Raha toa io ka rohy an-tserasera dia miantso an'i
Netscape hanaraka ny rohy i Ted.
Manova rohibe hiverina
ho lahatsoratra tsotra ny bokotra `Manaisotra Rohy.'
Manaisotra ny sehatry ny
rohibe teo amin'ny felasivana ny bokotra `Manafoana' fa tsy manao
na inona na inona.
Fanomezana
anaran-toerana ao amin'ny rakitrao ny tsoratadidy. Raha vao manana
anarana ny toerana iray dia afaka mitsambikina mankany ianao amin'ny
alalana rohibe na afaka manondro azy an-kolaka ao amin'ny rakitra.
Ohatra, azonao atao ny manondro lahatsoratra ao anatina tsoratadidy na ny
mari-dahatry ny pejy voatonta itrangan'ny tsoratadidy. Fidio ny safidy
'Tsoratadidy..' eo amin'ny sakafo `Manisika' raha
hanisika na hisafo tsoratadidy. Mipoitra ny diniky ny `Tsoratadidy.'
Ampidiro eo amin'ny
diniky ny `Tsoratadidy' ny anaran'ny tsoratadidy raha hanampy
tsoratadidy.
Manolotra anarana ho
an'ny tsoratadidy i Ted
arakaraky atin'ny velarana mivohitra ao anaty rakitra. Tsindrio ny
bokotra `Afantsona Tsoratadidy' raha hanao tsoratadidy vaovao na
hanova ny anaran-tsoratadidy misy. Tsindrio ny bokotra `Manaisotra
Tsoratadidy' raha hanaisotra tsoratadidy misy. Tendreo ao amin'ny
sehatry ny `Tsoratadidy' ny anaran'ilay tsoratadidy raha
hitsambikina mankany, ary tsindrio ny bokotra `Mandeha Mankany
Tsoratadidy'. Azo atao ny mifantina anaran-tsoratadidy eo amin'ny
lisitry ny tsoratadidy eo ambany fahi-dahatsoratra toa izay mitendry ny
anarany.
Ampiasao ny fahitry ny
`Mandika Tsoratadidy' raha handika tondroraki-tsoratadidy mankao
amin'ny hela-tsilaka. Tsindrio ny bokotra `Mandika' raha handika
ny tsoratadidy mankao amin'ny hela-tsilaka. Manisika rohibe manondro
ny tsoratadidy ny fametahana ny hela-tsilaka amina toeran-kafa ao anaty
rakitra na amina rakitra hafa. Misy rafiatra efatra samy hafa ahafahana
mandika ny tsoratadidy:
•
Toa rohibe manana lahatsoratra tsimiova.
•
Toa fanondro ny tsoratadidy izay aseho toy ny mari-daha-pejiny
•
Toa fanondro ny tsoratadidy izay mandika ny
lahatsora-tsoratadidy ankitrio isaky ny atonta izy.
•
Toa fanondro nadika amin'ny tsoratadidy izay mandika ny
lahatsoratra sy izay maneho ny mari-daha-pejy, sarahana kiheba. Azo
ampiasaina hanaovana fizahan-takila tsortra io.
Misy dikany ireo
karazan-drohibe telo farany ireo rehefa ao anaty rakitra iray izay
tsoratadidy tondroiny izy, ary amin'izay ihany.
Mahaliana
tokoa ny rohibe sy toratadidy rehefa tahirizina ho HTML ny lahatsoratra, sy
noho izy fomba tsotra fanaovana fizahan-takila.
Andininy
sy ny fanipika
Ny andininy dia
singan-dahatsoratra miforitra eo anelanelan'ny sisim-pejy. Misy
tsipi-bikina mazava soritra manasaraka andininy. Rehefa voatonta ny
lahatsoratra dia azo atao ny mampanomboka andininy eo amina pejy vao
amin'ny alalan'ny fifantin-tsakafo `Andininy amina Pejy Vao.' Raha ny mahazatra, ny
fizarana rakitra ho silaka manomboka amina pejy vao dia tanterahina amin'ny
fizarana ny takitra ho tsinjara fa tsy amin'ny fanoritana mazava ny
fampanombohana andininy amin'ny pejy vao ho toetra mampiaka an'ilay
andininy.
Manana fanipika ny
andininy tsirairay ao amina lahatsoratra. Ny fanipika dia mamepetra ny
fomba fiforitry ny andininy eo anelanelan'ny sisin'ilay pejy, na
ny sisin'ny efi-takilajoro izay miaty azy. Miseho eo ambony
hoakan-dahatsoratra ny fanipika. Mamaritra ny toetra sasany mampiavaka
andininy izy.
•
Ny kinifinify havian'ny andalana voalohan'ny andininy:
Ny toerana eo havanan'ny sisim-pejy havia izay hanombohan'ny
andalana voalohan'ny andininy. Asehon'ilay bokotra eo ambonin'ny
vanditra fotsin'ny fanipika ny fikinifinifin'ny andalana
voalohany.
•
Ny kinifinifin'ny ambin'ny andininy: ny toerana eo
amin'ny havananan'ny sisim-pejy havia izay anombohan'ny
andalan'andininy sasany. Asehon'ilay bokotra eo ambanin'ny
vanditra fotsin'ny fanipika ny fikinifinifin'ny andininy.
•
Ny kinifinify havanan'ny andininy: Ny sakan'ny
vanditra eo amin'ny havian'ny sisiny havanan'ilay pejy izay
tsy azon'ilay andininy ampiasaina mihitsy. Asehon'ilay bokotra eo
ambanin'ny vanditra fotsin'ny fanipika ny fikinifinifin'ny
andininy.
•
Fifanjohian-janon-kiheba: Miseho toa fononteny mahitsizoro kely
ao anatin'ilay vanditra fotsin'ny fanipika ny janon-kiheba.
Rehefa tsy misy janon-kiheba, na rehefa tsy misy havanana ny janon-kiheba
havanana indrindra dia mampiasa janon-kiheba voahitsy havia avy amin'ny
henenin'antsasak'intsa avy eo amin'ny sisiny havia i Ted. Fomba tsara kokoa
handrafetan-dahatsoratra ho tsangana ny takelajoro noho ny janon-kiheba
amin'ny tranga maro.
Ny toeran'ny
kinifinify sy kiheba samy hafa dia azo ovaina amin'ny fisarihana ny
gejam-panipika izay maneho azy. Azo afantsona amin'ny fipihana eo amin'ny vanditra
fotsin'ny fanipika ny janon-kiheba. Azo esorina ny janon-kiheba
amin'ny fisarihana azy avy teo amin'ny vanditra fotsy. Ilay
bokotra kely eo amin'ny ambony havian'ny fanipika dia mamepetra
ny karazan-janon-kiheba asisika rehefa pendenao ao anaty vanditra fotsin'ny
fanipika:
Manisika janon-kiheba
havia: Mihitsy havia mifanitsy amin'ny janon-kiheba ny lahatsoratra eo
afaran'ny janon-kiheba.
Manisika janon-kiheba
havanana: Mihitsy havanana mifanitsy amin'ny janon-kiheba ny
lahatsoratra eo afaran'ny janon-kiheba. Mipoitra eo alohan'ny
janon-kiheba ny lahatsoratra vokatr'izay.
Mampiditra janon-kiheba
miivo: Miivo manodidina ny janon-kiheba ny lahatsoratra eo afaran'ny
janon-kiheba. Tena eo afovoan'ny lahatsoratra tsara aorian'ny
fandrafetana.
Amin'ny tranga maro
dia mora kokoa ny mampiasa fanitsian-takelajoro sy andininy ao anaty
efi-takelajoro noho ny mampiasa janon-kiheba raha hanitsy lahatsoratra ho
tsanganana.
Azo itadidiana fanipika
ny fifanti-tsakafo `Mandika
Fanipika'. Mitadidy ny fanipik'andininy misy toeram-panisifana
anaty lahatsoratra izy. Raha misy fari-dahatsoratra mivohitra dia tadidiny
ny fanipik'andininy izay iantombohan'ilay faritra mivohitra. Azo
ampiharina amin'andininy hafa ny fanipika tadidy. Manafantsona ny
fanipika tadidy ho amin'ilay andininy misy toeram-panisifana ny
fifantin-tsakafo `Mametaka Fanipika'. Raha misy fari-dahatsoratra
mivohitra dia mifantsona amin'ny andininy rehetra misy silak'ilay
faritra mivohitra ny fanipika tadidy.
Ampiasao ny fifantina
`Manao Andininy Iray' raha hamihina ny andininy ao amin'ny
faritra mivohitra ho andininy iray. Tena ilaina tokoa io any anaty rakitra
izay miala avy amina tahiry vokatra amin'ny mpandrary lahatsoratra toy
ny vi.
Mahazaka toetra
mampiava-pandrafetana amboniny fanampiny sasany i
Ted. Mamela anao hanova ny toetra
mampiavak'andininy ny geja eo amin'ny pejin'ny `Andininy'
amin'ny'fitaovana `Rafitra'. Mariho fa na dia miendrika
teboka aza ny ny habe rehetra dia azonao atao ny maniditra habe amina venty
hafa. Mivadika ho teboka ny habe rehefa tsindrinao ny fanendry `Maniditra'.
Oha-pandravahana andininy sy ny fanipiny ity manaraka ity.
Raha hanova an-tanana ny
toetra mampiavaka ny andininy ankitrio dia ampiasao ny pejin' Andininy
amin'ny Fitaovana Rakitra.
Toetra mampiavak'andininy ao amin'ny pejin'ny
Andininy amin'ny Fitaovana Rakitra.
Kinifinify havian'ny andalana voalohany
|
Dia ny zeva misy ny
litera voalohan'ny andalana voalohan'ny andininy avy eo amin'ny
sisiny havian'ny pejy (na ny efi-takelajoro).
|
Kinifinify havia
|
Dia ny zevan'ny
litera voalohan'ny andalana faharoa sy ny sisa manaraka ao anaty
andininy avy ao amin'ny sisiny havian'ny pejy (na ny
efi-takelajoro).
|
Kinifinify havanana
|
Dia ny zevan'ny
litera faran'ny andalana ao amin'ny andininy avy eo amin'ny
sisiny havanan'ny pejy (na ny efi-takelajoro).
|
Fanitsiana
|
Mamepetra ny fihitsin'ny
atin'ny andalan'ny andininy raha ampifandraisina amin'ny
pejy na efi-takelajoro miaty lahatsoratra.
|
Heba
|
Raha ny ara-dalana, ny
zeva eo ankebaheban'ny andalana ao amina andininy dia voafepetry ny
endritsoratra lehibe indrindra na ny dindon'andalana anatin'ilay
andininy. Mamela anao hanana fiantraka amin'ny zevan'andalana ny
sakafo `Heba'. Tsy mbola zakan'ny fitaovam-pandrafetan'ny Ted 2.10 ny fahafaha-mampihatra ny
heban'andalana amin'ny andalana faran'ny andininy.
|
Heba Ambony
|
Ahafahanao manome ny
haavon'ny tsoripika fotsin'ny taratasy mitataho ny andalana
voalohan'ny andininy.
|
Heba Ambany
|
Ahafahanao manome ny
haavon'ny tsoripika fotsin'ny taratasy mitaty ny andalana
faran'ny andininy.
|
Morona Andoha
|
Manana morona andoha ny
andininy rehefa mandeha. Azonao aiditra anatin'ny fahi-dahatsoratra
eo ankavanan'ny boko-tsavily ny sakan'ny morona. Teboka 3.75 ny
farany ambony (1.2 mm eo ho eo). Morona mainty matevina ihany no zakan'i Ted na dia mahazaka endri-morona maro
samy hafa aza ny tahirin-drafitra RTF.
|
Morona Antongotra
|
Manana morona antongotra
ny andininy rehefa mandeha. Azonao aiditra anatin'ny
fefin-dahatsoratra eo ankavanan'ny boko-tsavily ny sakan'ny
morona. Teboka 3.75 ny farany ambony (1.2 mm eo ho eo). Morona mainty
matevina ihany no zakan'i Ted na dia mahazaka endri-morona maro samy hafa aza ny
tahirin-drafitra RTF.
|
Manomboka Amina Pejy Vao
|
Tombohy ity fahitra ity
raha hampandingana an'i Ted mankamina pejy vao rehefa mandrafitra an'ity andininy ity
izy. Tsy mihatra amin' andininy anaty takelajoro ity toetra mampiavaka
ity.
|
Tazonina Anaty Pejy Iray
|
Aza zaraina eo
anivom-pejy maro ity andininy ity raha tsy rehefa misy firam-pejy
voasoritra mazava ihany. Rehefa lava noho ny pejy ny andininy dia tsy
jerena ity toetra mampiavaka ity.
|
Gejan'ny Mananotena/Kamboty
|
Rehefa zaraina eo
anivom-pejy maro ity andininy ity dia miray pejy ny andalana voalohany sy
faharoan'ilay andininy. Mihatra amin'ny andalana roa faran'ny
andininy koa io.
|
Ampombaina amin'ny Manaraka
|
Zaraina eo anivom-pejy
maro ny lahatsoratra ka amin'izany dia mipoitra eo amin'ny pejy
ipoiran'ny manaraka ity andininy ity. Io dia noho izy lohatenin'ny
andininy manaraka, karazana miavaka iray.
|
Takelajoro
Fidio ny `Manisika
Takelajoro' ao amin'ny sakafo `Manisika' raha hanisika
takelajoro ao anaty rakitra. Fomba fandrafetana mijotso ny takelajoro. Tsy
voatonta ny moron'efitrefi-takelajoro. Miseho ny moron'efitrefitra
volondavenona tanora mba hahitana maso ny rafi-takelajoro. Ampiasao ny
safidin-tsakafo `Maneho Karakaran-Takelajoro' mba hanafenana azy raha
manorisory anao ireny. Ampiasao ny fitaovan-takelajoro raha hanampy
moron-tsivalana sy tsanganana amina takelajoro.
Manana fanipika
voatokana ahafahanao manisaka ny moron-takelajoro amin'ny fisarihana
azy miankavia sy miankavanana ny hoakan-drakitra raha ao anaty takelajoro
ny mivohitra. Maneho ny tohatoha-jotr'io ity fandravahana eto ambany
ity.
Ny fitaovan-fandrafetam-pejy ho takelajoro
dia ahafahanao manao zavatra sarotra kokoa amin'ny
fandrafetan-takelajoro, toy ny fametrahana efitrefitra anaty
moron-takelajoro sy fanovana ny morona anatin'ny efitrefitra. Io koa
dia ahafahanao manaisotra tsivalana na tsanganana, manisika tsivalana na
tsanganana alohan'ny fampivohirana. Io dia miavaka amin'ny
safidin-tsakafo izay aorian'ny fampivohirana ihany no mamela anao
manampy an'ireo. Ireto ambany ireto ny fitaovam-pandrafetam-pejy ho
takelajoro sy fanazavana ny azo atao aminy. Mariho fa, na dia teboka aza no
anehoana ny habe rehetra dia afaka mampiditra habe amina venty samy hafa
ianao. Manjary teboka ny habe rehefa tsindrinao ny fanendry `Maniditra.'
Sisiny Havia
|
Dia ny zeva misy ny
sisin-takelajoro havia avy eo amin'ny sisim-pejy havia. Ny sanda miiba
dia midika fa ny morona havin'ny takelajoro dia eo ankavian'ny
sisiny havian'ny sisim-pejy. Raha iban'ny sandan'ny `Sisin'Efitrefitra' io sanda io
dia mifanitsy ny sisiny havian'ny lahatsoratra ao anaty sy ivelan'ny
takelajoro.
|
Sisin'Efitrefitra
|
Dia ny zeva misy ny
lahatsoratra avy eo amin'ny sisiny havia na havanan'ny
efitrefi-takelajoro.
|
Morona Andoha
|
Manana morona andoha ny
tsivalana rehefa mandeha. Azonao aiditra anaty fahi-dahatsoratra eo
ankavanan'ny boko-tsavily ny sakan'ny morona. Teboka 3.75 ny
farany ambony (1.25 mm eo ho eo).
|
Morona Antongotra
|
Manana morona antongotra
ny tsivalana rehefa mandeha. Azonao aiditra anaty fahi-dahatsoratra eo
ankavanan'ny boko-tsavily ny sakan'ny morona. Teboka 3.75 ny
farany ambony (1.25 mm eo ho eo).
|
Tazonina Anaty Pejy Iray
|
Rehefa mandeha ny savily Tazonina Anaty Pejy Iray dia tsy mizara
eo anivom-pejy maro ny tsivalana rehefa atonta ny rakitra. Raha tsy omby ho
iray tsy misilaka eo amin'ny pejy anombohany izy dia mikisaka mankao
amin'ny pejy manaraka
|
Haavo Mahaleo
|
Ny haavon'ny
efitrefitra avo indrindra no haavon'ny tsivalana.
|
Haavo Farafahakely
|
Ny tarehimarika ao anaty
filatron--dahatsoratra no haavon'ny tsivalana farafahakeliny.
Ampifanarahana ny haavon'efitrefi-tsivalana izay mihoatra.
|
Haavo Katsa
|
Ny haavo ao anaty
filatron-dahatsoratra no haavon'ny tsivalana na dia tsy omby aza ny
atin'efitrefitra.
|
Saka (Tsangana)
|
Dia ny sakan'ny
tsangana mivohitra. Manandrana manakana anao tsy hanova ny sakan-tsangana
ho sanda mahatonga ny takelajoro ho lehibe noho ny pejy ny
fitaovan-takelajoro.
|
Morona Havia
|
Manana morona havia ny
tsangana rehefa mandeha. Azonao aiditra anaty fahi-dahatsoratra eo
ankavanan'ny boko-tsavily ny sakan'ny morona. Teboka 3.75 ny
farany ambony (1.25 mm eo ho eo).
|
Morona Havanana
|
Manana morona ny
tsangana rehefa mandeha. Azonao aiditra anaty fahi-dahatsoratra eo
ankavanan'ny boko-tsavily ny sakan'ny morona. Teboka 3.75 ny
farany ambony (1.25 mm eo ho eo).
|
Na dia mahazaka
karaza-morona maro hafa aza i Ted dia mitsitokantokana no fampiasany sy fikirakirany ny moron'
efitrefitra. Afaka manana saka, na inona na inona, ary karazana samy hafa
ny morona ao anaty firafitra RTF. Morona mainty mavesatra ihany no zakan'i Ted. Manova ny moron'efitrefitry ny
tsivalana na tsangana ny lahasan-kirakira anaty tsivalana na tsangana.
Tsinjara
Azo zaraina ho tsinjara
ny rakitra lava kokoa. Azo oharina amin'ny fizarana anaty boky ny
tsinjara. Raha ara-dahasa mijotso dia manomboka amina pejy vao i Ted rehefa atonta ny rakitra. Afa-
miendrika samy hafa ny famarihan-daharam-pejy sy lohapejy ary tongopejin'ny
tsinjara samy hafa. Afa-manana fiseho samy hafa mihitsy aza ny tsinjara
samy hafa. Ampiasao ny helaka `Andoha sy Antongotra' eo amin'ny
fitaovam-pandrafetana raha hanova ny andohapejy sy antongopejin-tsinjara.
Ampiasao ny helaka `Fiseho Pejy' eo amin'ny fitaovam-pandrafetana
raha hanova ny fisehon-tsinjara.
Toetra mampiava-tsinjara eo amin'ny helaka `Tsinjara'
ao amin'ny `Fitaovana Rafitra'
Manomboka
|
Manambara amin'i
Ted ny toerana hanombohan-tsinjara. Ny fanombohana
mijotson'ny tsinjara vaovao amina pejy vao. Ireto no mety mitranga:
• Ambanin'ny
eo Aloha: Tsy mampanomboka pejy vao an'i Ted ny fiampitana avy ao amin'ny tsinjara eo aloha
mankamin'ity tsinjara ity.
• Anaty
Tsanganana Manaraka: Rehefa manana tsangana miendri-gazety ny tsinjara dia
manomboka tsangana vaovao ho an'ilay tsinjara ny mpandrafitra.
Manomboka amim-pejy vao i Ted
noho izy tsy manatanteraka tsinjara maro tsangana.
• Ao
Pejy Vao: Manomboka ny tsinjara eo amina pejy vao i
Ted.
• Ao
Pejy Ankasa: Manomboka ny tsinjara ao amina pejy mimari-daharana ankasa i Ted. Misy pejy foana misisika raha
manana mari-daharana tsiankasa ny pejy manaraka.
• Ao
Pejy Tsiankasa: Manomboka ny tsinjara ao amina pejy mimari-daharana
tsiankasa i Ted. Misy pejy
foana misisika raha manana mari-daharana ankasa ny pejy manaraka.
|
Karaza-Maridaharam-Pejy
|
Ny karaza-mari-daharana ampiasaina ao andoha
sy antongotry ny pejy ananan'ity tsinjara ity. Ny mari-daharana mitovy
karazana dia mikasika ny pejy amin'ity tsinjara ity.
|
Manomboka Amin'ny Pejy
|
Mimari-daharana manomboka amin'ny iray
ny pejin-drakitra raha ny ara-dalana. Ahafahanao manome mari-daharam-pejy
manokana ho an'ny tsinjara ny savily `Manomboka Amin'ny Pejy'
. Ahafahanao manome ny mari-daharan'ny pejy voalohan'ny tsinjara
mihitsy aza ny fahi-dahatsoratra eo ankavanana.
|
Tsanganana
|
Isan'ny tsanganana miendri-gazety izay
ampiasaina handrafetana an'ity tsinjara ity. Tsy manatanteraka
tsanganana miendri-gazety i Ted 2.10.
|
Heba Tsanganana
|
Heba manelanelana ny tsanganana
miendri-gazety ampiasaina handrafetana an'ity tsinjara ity. Tsy
manatanteraka tsanganana miendri-gazety i Ted 2.10.
|
Saka Tsanganana
|
Sakan-tsanganana miendri-gazety ampiasaina
handrafetana an'ity tsinjara ity. Tsy manatanteraka tsanganana
miendri-gazety i Ted 2.10.
|
Manana lohapejy sy
tongopejy azy manokana ny tsinjara tsirairain'ny rakitra. Atonta eo
amin'ny sisiny andoha sy antongotry ny pejy ny lohapejy sy tongopejy.
Fehezin'ny pejim-pitaovam-pandrafetana `Fiseho Pejy' amin'ny
fomba entitra ny fitoerany. Tsindrio ny iray amin'ny bokotra `Rarina
Lohapejy' na `Rarina Tongopejy' eo amin'ny tapenaka
`Lohapejy sy Tongopejy' anaty fitaovam-pandrafetana.
Misy singa roa mamepetra
ny karazan-dohapejy sy tongopejy mifandraika amin'ny tsinjara: Na
mampiasa lohapejy sy tongopejy hafa eo amin'ny pejy voalohan'ny
tsinjara ny rakitra na tsia, na mampiasa lohapejy sy tongopejy samy hafa
amin'ny pejy ankasa sy tsiankasa ny rakitra na tsia.
Safidio eo amin'ny
karazam-pejy tianao hiakoana, dia tsindrio ny bokotra `Mandrary
Lohapejy/Tongopejy' na `Manaisotra Lohapejy/Tongopejy' raha
handrary na hanaisotra lohapejy na tongopejy. Voavoatra ny lohapejy na
tongopejy rehefa tsindrina ny bokoatra `Mandray Lohapejy/Tongopejy'
raha sendra tsy misy ny karazam-pejy sasany. Mila manana pejy telo
farafahakeliny ny tsinjara iray vao mahazo ny karazam-pejy mifandraika
(Voalohany, Ankasa, Tsiankasa). Eo am-pandrariana lohapejy sy tongopejy efa
ao dia tsy azo atao ny mandrary lohapejy sy tongopejy ho ana pejy izay tsy
ananan'ny tsinjara. Izany dia midika fa mety mila manisika firam-pejy
tsy raikitra ao anaty lahatsoratra ianao mba hahatonga ny lohapejy na
tongopejy miavaka ho takatra.
Raha ny ara-dalana, tsy
takatra amin'ny fipihana totozy na fanendry tondro ny oohapejy sy
tongopejy. Piho indroa eo amin'ny lohapejy na tongopejy raha hanomboka
handrary lohapejy na tongopejy. Piho eo amin'ny toerana iray anaty
vatan-dahatsoratra raha hiverina ho ao amin'ny vatan-dahatsoratra.
Ampiasao ny
safidin-tsakafo `Manisika Mari-Daharam-Pejy' raha hanisika
mari-daharam-pejy. Ao amin'ny lohapejy sy tongopejy ihany no azo
anisihan-dohapejy sy tongopejy.
Habem-pejy sy Sisina
Ny
vovon-kevitra mifandraika aminy no mamepetra ny haben'ny pejy sy ny
sisin-drakitra vao araky ny noresahina ao amin'ny andininy momba ny
vovon-kevitra azo ampiendrehina. Ny habem-pejy, ny fitodi-pejy ary ny
sisin-drakitra dia azo ovaina amin'ny tapenaka `Fiseho Pejy'
anaty fitaovam-pandrafetana. Azafady mankanesa ao amin'ny
drafi-pehezantenin'ny vovon-kevitra ho an'ny fandrafetan-tsanda
izay azo aiditra anaty filiron-dahatsoratra. Ny fanindriana ny fanendry
`Maniditra' anaty filatron-dahatsoratra dia manavao ny kisarisary eo
amin'ny fitaovana `Fiseho Pejy' mba hahatsapanao ny fisehon'izay
navohitrao. Manajary fahalalana momba ny fisehon'ny pejy ao amin'ny
toerana roa ny firafi-tahiry RTF: Ho an'ny rakitra iray manontolo sy
ho an'ny tsinjara mitokatokanan'ny rakitra. Fanovana ny
fisehom-pejin-tsinjara mivoitra ao anaty rakitra ihany no avelan'i Ted ovaina na dia mety ho ilaina tokoa
aza ny fisehom-pejy hafa ho ana tsinjara hafa ao anaty rakitra. Maneho ny
tapenaky ny fisehom-pejy ity fandravahana eto ambany ity.
Fanteno ny safidy
`Atonta...' eo amin'ny sakafo `Tahiry'. Mipoitra ny
hoakan-dinikyny fanontana. Miaty sakafo misy ny mpanonta ao anaty solosaina
ka azo ampiasaina ny hoakan-dinikyny fanontana. Ankoatry ny mpanonta, ny
sakafo dia misy safidy hanontana avy amina tahiry. Raha efa nampiendrika
baiko ho an'ny tahadika ao amin'ny fanovozam-pampiharana ianao
dia hiaty safidy tahadika lavitra koa ny sakafo. Ny fiantsoana ny baiko
mpandrindran'ny vorindrafitra mpanodina ny mpanonta no mamepetra ny
lisitry ny mpanonta. Andramana ireto baiko manaraka ireto:
Marihina fa ny ParaSora
ihany no atontan'i Ted.
Tokony hahazaka ny endritsoratra rehetra ampiasain'i Ted amina rakitra miavaka ny mpanonta.
Mankanesa ao amin'ny tsinjara momba ny torolalana amin'ny
fampiakarana endritsoratra amboniny ho an'ny parasoran'ny
mpanonta. Afaka mampiasa ny fonosam-pikitihana parasora lafatra GhostScript
ireo izay tsy manana mpanonta miparasora. Azo alaina avy ao amin'ny
ftp.cs.wisc.edu ao amin'ny lahatahiry ghost io. Manolotra fikitiham-parasora tsara ho ana mpanota maro
karazana ny GhostScript Aladdin sy Ghostscript GNU. Eo anilan'izany
dia azo ampiasaina ho solon'ny mpandio Acrobat io mba hamadihana ny
tahiry Parasora hirafitra PDF. Mankanesa ao amin'ny firaketana
GhostScript misy torolalana momba ny fanampiana endritsoratra ho an'i
GhostScript.
Rehefa efa
nampiendrehana ihany ny baiko tahadika vao mandeha ny filatron-dahatsoratra
fampidirana mari-daharan-tahadika, toy ny safidy Tahadika ao amin'ny
sakafom-pifantenana mpanonta. Rehefa voafintina ho mpanonta ihany ny
tahadika vao azonao ampidirana mari-daharan-tahadika ao anatiny. Tsy
mandeha io ho an'ny mpanonta hafa rehetra. Maneho
hoakan-dini-panontana misy safidy samy hafa ny fandravahana eo ambany.
Am-pijotsoana dia manonta pejy iray isa-takilan-taratasy i Ted. Amin'io dia tetehina mivany
ny mivoaka mba ho tafiditra anaty takila. Raha ny ara-dalana dia atontan'i Ted daholo ny pejy rehetra anaty
rakitra. Azo ferana amina laha-pejy ny fanontana amin'ny alalan'ny
sakafo eo antongotry ny hoakan-dinika `Atonta...'.
Mampiasa ny vovo Ted.taratasy i
Ted rehefa manapa-kevitra amin'ny haben'ny
taratasy ao anaty mpanonta. Ampiasaina amin'ny fameperana ny haben'ny
pejin-draki-bao koa io vovo io. Ny Parasora izay alefa mankao amin'ny
mpanonta no maminavina io haben-taratasy io. Azonao atao ny mifantina
haben-taratasy hafa rehefa sendra manana haben-taratasy hafa ianao.
Marihina fa amin'ny fametrahana ny lahatsoratra voarafitra eo amin'ny
pejy ihany no miako ny haben-taratasy fantenina ao amin'ny
hoakan-dini-panontana fa tsy amin'ny fandrafetana ny voka-panontana
mivoaka. Ampiasao ny fitaovam-pisehoam-pejy raha handrafi-drakitra ho ana
taratasy hafa habe.
Mahazaka andalam-baiko
fiantsoana roa i Ted
hamadihana rakitra RTF ho Parasora avy eo amin'ny andalam-baiko. Ny
Ted ++PrintToFile this.rtf that.ps dia manao tahiry Parasora mampiasa firafi-taratasy mijotso. Ny
Ted ++printToFilePaper this.rtf that.ps letter dia manao tahiry Parasora ho ana mpanonta misy taratasy fanoratan-`taratasy'.
Mankanesa ao amin'ny fandraketam-panovozana Ted.taratasy raha mila lisitry ny rafi-taratasy azo atao. Mbola
ilaina ihany ny tontolo X11 na dia tsy ampiasaina amin'ireo antso ireo
aza izy. Kileman'i Ted
efa fantatra io.
Asian'i Ted ny antsoina hoe pdfmarks ao amin'ny parasora
soratany. Ahafahan'ny mpandio Adobe Acrobat na GhostScript mamboatra
tahiry izay miaty rohibe sy tsoratadidy mitovy amin'ny matoan-tahiry
RTF io. Ity manaraka ity ny baiko GhostScript mamadika tahirim-parasora ho
PDF:
gs -q
-dNOPAUSE
-sDEVICE=pdfwrite -sPAPERSIZE=a4 \ -sOutputFile=that.pdf this.ps -c
quit
Azonao ampanamboarana
tahiry ambony kalitao Acrobat PDF avy amin'ny tahirinao RTF i Ted miaraka amin'ny GhostScript, na
dia amin'ny endrika sora-tanana aza. Mankanesa ao amin'ny soratra
rtf2pdf.sh script ao an-tananan'i Ted ftp raha mila ohatra feno.
Angamba
manana mpanonta azo ampanjifaina ianao na mampiasa baiko voatokana
hanontana amina mpanonta Parasora. Afaka manonta ami-mpanonta ampanjifaina
ianao raha mametraka vovo
roa ao anaty tahirim-pitovozana: Ny vovo Ted.customPrintCommand no baikom-panontana mankamin'ny mpanonta ampanjifaina. Ted.customPrinterName no anaran'ilay
mpanonta ampanjifaina. Manisika safidy amboniny
iray ao anaty sakafom-pifantenana mpanonta i Ted mba hanontana avy amin'ilay baiko rehefa voapetraka ireo vovo roa ireo. Ataon'i Ted ho mpanonta mijotso ny baikom-panotana ampanjifaina noho izy io
zavatra voatokana. Ny sandan'ny
customPrinterName no fisesy fohy ampiasaina ao amin'ny sakafo mba
hifantenana ny mpanonta ampanjifaina. Ny sandan'ny customPrintCommand dia akoram-baiko
jadona hanontana amin'ny mpanonta ampanjifaina. Rehefa miaty lasitra
%f ny customPrintCommand
dia misolo an'ilay lasitra ny anaran-tahiry tselika hanontana. Raha
tsy izany dia misesika mankao amin'ny baikom-panontana ampanjifaina ny
ParaSora. Anjara andraikitry ny customPrintCommand ny famafana ny tahiry tselika rehefa mampiasa ny %f ao amin'ny customPrintCommand ianao.
Ohatra: Ireto
fipetraham-pitovozana ao amin'ny tahiry .Xdefaults na .Xresources
ireto dia mampiasa ny ghostview ho mpitsiriky ny mpanonta:
Ted.customPrintCommand: ( ghostview '%f'; rm '%f'
) &
Ted.customPrinterName:
Preview
Fampiasana an'i
Ted miaraka amin'ny fonosana Martin Vermeers
FaxView ny ova manodidina an'ny APP_FAX_TO. Rehefa omena ny
baikon-tahadikan'i Ted
ka mandeha ny APP_FAX_TO dia fantenan'i Ted ho mpanonta mijotso ny tahadika ary ampidiriny anaty
fahi-dahatsoratry ny mari-daharan-tahadika ny sanda.
Azo atao ny mitahiry
rakitra ho rafitra HTML. Satria tsy afa-mamaky HTML i
Ted dia voatery atao amin'ny safidin-tsakafo
`Tahirizina Amin'ny' izany. Raha miaty sary miteboka ny rakitra
tahirizina ao amin'ny tahiry something.html dia ao anaty tahiry
something.img izay tahirin-tsary no itahirizana an'ireo sary. Ny sary
misy loko vitsy dia tahirizina ao amin'ny tahiry gif. Ny sary misy
loko maro dia tahirizina ho tahiry JPEG miaraka amin'ny fihitarana
.jpg. Tena jadona ny anaran'ny tahirin-tsary ao amin'ny
something.img, fa manandrana mitazona an'ireo ary mampiasa anarana
mitovy ho ana sary iray i Ted
isaky ny mitahiry an'ilay rakitra ho HTML.
Satria maro ny tsy
itovizan'ny RTF SY HTML na eo amin'ny fomba fandrafetan-drakitra
na eo amin'ny fahafaha-mandrafitra dia voatery nitady fampifanarahana
teo anelanelan'ny famoahana HTML izay manja arak'izay azo natao
sy HTML izay mitovy endrika amin'ilay matoan-drakitra RTF arak'izay
azo natao aho. Naneho fifangarihana mpizaha be loatra ny sedra natao tamina
takilam-pomba fizaha, hany ka nanapa-kevitra fa ho atao tanana ny
fampitovizana noho ny hakiviana aman-kasorenako amin'ny lafiny iray.
Mampiasa fitrandrahana mitohan-kevitra sasany sy kirambon'<ENDRITSORATRA>
aho. Fantatro fa fahazaran-dratsy io, saingy tsy nahita fandiasina azo
niriranana aho. Raha mamaky an'ity rakitra ity amin'ny rafitra
HTML ianao dia afaka manapa-kevitra ho an'ny tenanao na ratsy tarehy
na tsia ny vokany.
Ny rohibe dia avadika
ho <A HREF= "something" >. Ny tsoratadidy dia avadika
ho <A NAME= "something">.
Mamadi-drakitra
mirafitra RTF ho HTML sy andalam-baikon'antso ny baiko Ted ++saveTo this.rtf that.html. Tsy ampiasaina amin'io karazan'antso ny tontolo.
Midika izany fa ny sanda mijotson'ny vovo azo ampiendrehana no ampiasaina fa tsy ny fampandefasana
manokana anananao. Kileman'i Ted efa fantatra io.
Ahafahanao mitahiry
rakitra ho lahatsoratra tsotra ny safidin-tsakafo `Tahirizina Ho' sy
`Tahirizina Amin'ny'. Manana fomba roa fitahirizan-drakitra ho
lahatsoratra tsotra i Ted.
Ny voalohany dia mamoritra ny lahatsoratra anaty andininy amin'ny
fomba hafa kely, hany ka azo ampisaina mora foana miaraka amina mpandrary
lahatsoratra tsotra mibika endritsora-pamaranana toy ny vi sy emacs. Ny faharoa dia mitahiry andininy ho andalan-tokan-dahatsoratra
tsotra. Tena tsy manamora asa amin'ny mpandrary lahatsoratra io, ary
voatazona koa ny matoan-drakitra etsy an-kilany.
Azonao alefa mivantana avy amin'i Ted ny lahatsoratra tendrenao. Fidio ny
`Hafatra...' ao amin'ny sakafo `Tahiry'. Mitranga ity
hoakan-dinika manaraka ity.
Mampidira lohahevitra sy
ny mpandray maro karazana eo amin'ny seha-dahatsoratra *). Ampidiro eo
amin'ny seha-dahatsoratra `Avy amin'i' ny adiresin-kafatrao,
na mankanesa ao amin'ny andininy momba ny fahitana fomba
fametrahan-tsanda mijotso ho an'ny `Avy amin'i'. Rehefa
misinton-kafatra amin'ny alalan'ny mpandroso an-tserasera ianao
dia ny adiresin-kafatrao no ampidirinao eto fa tsy ny adiresy ananao ao anaty solosainao. Fidio ny
karazan'atin-kafatra. Ataovy an-tsaina fa mpampiasa Microsoft sy ny
olona manana Ted anaty
miliny ihany ho afa-mamaky hafatra mirafitra HTML. Koa raha tsy fantatrao
ny mpandray hafatra dia ny mandefa hafatra amin'ny lahatsoratra tsotra
no tsara indrindra. Mankanesa ao amin'ny andininy momba ny vovo azo ampiendrehana raha mila
mampiendrika karazan'atiny mijotso ho an'ny hafatrao ianao.
Marihina fa i Ted dia tsy natao ho fampiharana
mpandefa hafatra mihitsy. Misy ny safidy hafatra lala-mahitsy saro-dalana
izay mitahiry lahatsoratra dia manondrana azy anaty fampiharana mpandefa
hafatra avy eo. Tsy misy ny zavatra toy ny bokin'adiresy.
Afaka mandefa hafatra amina rafitra telo i
Ted:
•
lahatsoratra/tsotra: Ny rakitra tsy misy fandrafetana no
hafatra. Ny lahatsoratra ihany no mijanona. Ny sary sy firafitra rehetra
dia esorina avy amin'ny rakitra.
•
fampharana/rtf: Alefa amin'ny rafitra mitovy tsy misy hafa
amin'ny fampirimana azy ho tahiry ny rakitra.
•
lahatsoratra/html: Alefa amin'ny rafitra HTML ny
lahatsora-drakitra. Ny tena mitranga dia tsy ny HTML izay ho notahirizina
anaty kapila fotsiny ny atiny. Ny HTML sy ny sary nampidirina dia alaro ho
hafatra marotsinjara mifandray amin-kafatra fakan-tahaka mifandrindra
amin'ny rfc 2557 (hafatra HTML).
*)
Mahazo ny hafatra ny mpandray Id (Iray Dika) ary lazaina eo
andohan'ny taratasin-kafatra.
Mahazo
ny hafatra koa ny mpandray Idm (Iray Dika Miafina) saingy tsy lazaina eo
andohan'ny taratasin-kafatra.
Ao amin'i Netscape 4.0, fidio ny
`Mandrary', `Safidy Voalohany...', `Navigator, `Fampiharana',
dia piho eo amin'ny `Reva-Tsoratra Firafitra'; avy eo piho ny
bokitra `Mandrary'. Ampidiro ny Ted '%s' eo amin'ny fahitry
ny `Mandrary' anaty `Fampiharana'
Ny vokatra azo dia andalana fampiharana/rtf;/Ted' '%s'
ao amin'ny tahiry $TRANO/.mailcap izay ampiasain'ny mpamaky hafatra hamantarany ny
rindranasa ho ampiasaina hamelarana karazam-piatin-kafatra sasany.
Azonao natao koa ny nampiditra an'io
andalana io miaraka amin'ny mpandrary lahatsoratra toy ny vi sy emacs.
Amin'ny ankapobeny
dia tsy ilaina ampiendrehina na ampanjifaina i Ted. Na izany aza, azo ampanjifaina amin'ny alalan'ny
kiralefam-bovom-pampiharana mahazatra X11 ny lahatsoratra sy fipetraka
mijotso rehetra. Tsy mampiasa anaran-drakitra filatro i Ted, noho izany, tsy misy vovom-pilatro
azo apetraka amin'ny fampiasana ny kiralefam-bovom-pilatro *).
Mankanesa ao amin'ny tahiry /usr/local/info/Ted.ad.sample misy tahirim-bovo ohatra nomarihina.
Raha hampitsimbadika ny
sanda mijotson'ny vovo
navangongo anatin'i Ted
dia apetraho ny andalana izay ovainao ho tahiry $HOME/Ted ao anatin'ity tahiry. Raha tsy tia tahiry tazana mazava ao
anaty lahatahirin'ny tranonao ianao dia aidiro ny andalana novaina
anatin'ny $HOME/.Xdefaults na $HOME/.Xresources
Mampidira andalana
miendrika Ted.someprop:
somevalue isaky ny toetra miavaka antsoina hoe some.prop.
Mikasika lahatsoratra
amin'ny baiko samy hafa eo amin'ny hoaka ny ankabeazan'ny
fipetraka.
Tsy voafaoka ao
anatin'ity bokim-pampidirana ity ireny. Mankanesa ao amin'ny
tahiry Ted.ad.sample misy
ohatra sy fanazavana raha te-hanova lahatsoratra ianao, toy ny fametrahana
ao an-toerana an'i Ted.
Satria miaty ny
fijotsoana rehetra ny tahiry santionana dia izay ovainao ihany no misy
dikany.
Miantraika amin'ny
fahafaha-miasan'i Ted
ireto toetra mampiavaka ireto:
Endritsoratramijotso:
Ampiasaina ho endritsoratry ny
rakitra vao. Ny rafitry ny rohitra dia:
<Vory>,<Lanja>,<Mandry>,<Habe>,<Mitsipika>.
E.G. "Helvetica,,,10" na "Times,Matevina,Mandry,14,Mitsipika".
Aza apetraka anaty tahirim-bovo anaty faingo miantona ny sanda.
fampihebana:
Fampihebana ho an'ny
raki-tsarisary eo amin'ny fidisana. Ny sanda mijotso dia 1.2 ho an'ny
120%.
venty:
Ny venty ampiasaina am-pijotsoana. Miantraika amin'ny
fitrangan'ny fanipika sy fandraisana ny isa aiditra eo amin'ny
fitaovam-pisehom-pejy ity vovo
ity. Ny sanda mety dia: intsa, “, sm, mm, teboka, pt (tk), picas (pika),
pi (pi).
taratasy:
Ny rafi-taratasy anaty mpanonta. Ny rafi-taratasy no ampiasaina
ho habem-pejy mijotson-drakitra vao. Raha kely kokoa ny habem-pejy
ampiasaina dia ampiasain'i Ted ny vovon-taratasy hanontana ny zoro ambony havian'ny
taratasy. Ny sada mety dia: a4,a5,letter,legal,executive sy rohitra
miendrika <Sakany> x <Haavo> ary amin'io, ny
<Sakany> sy <Haavo> dia saka mitombina. Ny saka
mitombina dia rohitra miendrika <Isa> <Venty>. Nomena
ery ambony ny sandam-benty. Raha tavela ny <Venty> dia
vinavinaina ny sandan'ny vovom-`benty'. Tsy manatoby
haben-taratasy ho an'ny tahiry anaty tahiry ny tahirin-dahatsoratra
tsotra. Ampiasaina amin'ny fisehom-pejy ny vovon-taratasin'i Ted isaky ny lahatsoratra tsotra
sokafany.
Mpanontamijotso:
Raha te-hampiasa mpanonta hafa
noho ny mpanonta mijotso avy amin'i Ted ho mpanonta mijotso ianao dia azonao ajadona ity vovo ity hifidianana an'ilay
mpanonta amin'ny fotoana voalohany ampiasanao ny Dini-Tonta.
Sisinahavia:
Ny sakan'ny sisina
havian-drakitra vao. Tsy maintsy saka mitombina ny sanda.
Sisinahavanana:
Ny sakan'ny sisina
havanan-drakitra vao. Tsy maintsy saka mitombina ny sanda.
Sisinaandoha:
Ny haavon'ny sisina
andohan-drakitra vao. Tsy maintsy saka mitombina ny sanda.
Sisinaantongotra:
Ny haavon'ny sisina
antogo-drakitra vao. Tsy maintsy saka mitombina ny sanda.
Atin-kafatra:
Ny karazan'aty mijotso ho
an'ny hafa-taratasy. Lahatsoratra tsotra ny mijotso. Ny
anaram-bovon-tsakafo options. I.E mailPlain,mailRtf,mailHtml no sanda
mety..
hafatraAvyamin'i:
Ny mpandefa mijotson'ny
taratasin-kafatra. Tsy misy sanda mijotso fa rehefa tsy misy nomena dia
manandrana mamboatra anarana toy ny `Anaranao<login@host.domain> ny rindranasan-kafatra. Raha sintoninao avy amina
mpandroso an-tserasera ny hafatrao dia omeo eto ny adiresin-kafatrao
amin'ilay mpandroso, fa tsy ny adiresy ananao ao anaty solosainao.
Mpandrosohafatra:
Ny tohy SMTP ampiasaina hampitana
ny hafatrao. Ny `localhost' no mijotso.
Lahatahiryafm
Ny lahatahiry izahan'i Ted tahirin'endritsoratra
mimetatra. Ny endritsoratra manan-tahiry mimetatra ihany no azon'i Ted ampiasaina. Amin'ny
fametraha-mijotso dia ao amin'ny /usr/local/afm no antenaina hisy ny
tahiry mimetatra. Ilaina ity vovo ity indrindra indrindra rehefa tsy afaka mametraka an'i Ted amin'ny maha-faka ianao ary
voatery manatoby ny tahiry mimetatra anaty lahatahiry manokana #).
spellToolSystemDicts:
(FitaovantsipelinaDrafiDrakb) Ny
lahatahiry izahan'i Ted
takibolan-tsipelina. Amin'ny fametraha-mijotso dia azo amin'ny
/usr/local/ind no antenaina hisy ny takibolan-tsipelina. Ilaina ity vovo ity indrindra indrindra rehefa tsy
afaka mametraka an'i Ted
amin'ny maha-faka ianao ary voatery manatoby ny rakibolana anaty
lahatahiry manokana #).
AnaranaTahirindrakitra:
Ny anaran'ity
tahirin-drakitra manday ity. Amin'ny fametrahana mijotso ity dia
/usr/local/info/TedDocument.rtf.
#)
Baikotahadika:
Ny baiko ampiasain'i Ted handefasana ny rakitra iasana ho
tahadika. Anaty baiko, ny %f dia soloina anaran-tahiry tselika, ny %n
soloina mari-daharan'ny tahadika, ary ny %t soloina ny lohatenin'ny
hoakan-dahatsoratra. Heverina fa manaiky ParaSora ho fahana ny
baikon-tahadika. Soratana amin'ny ParaSora ny tahiry tselika raha
miaty fitranana %f ny baiko, raha tsy izany dia mizohy mankao anaty baiko
ny ParaSora. Lavina ny baiko tsy misy lasitra %f mba hialana amin-tseho
hafahafa. Mandeha ireto manaraka ireto ao amin'ny fonosan-tahadika
tendrilavitr'i Ed Casas:
a)
Mandefa
tahadika fotsiny dia miandry ...
Ted.faxCommand:
( ( fax send '%n' '%f'; rm '%f' ) )
b)
Mandefa
tahadika, tsy miandry fa mandefa tatitra amin'ny mpandefa...
Ted.faxCommand:
( ( fax send '%n' '%f' 2>&1; rm '%f'
2>&1 ) | mail -s 'Fax %t' mark@localhost ) >/dev/null
2>&1 &
Mikasika
tahadika koa ny ovan-tontolo APP_FAX_TO. Mankanesa ao amin'ny
tsinjara momba ny fanontana.
customPrintCommand:
Baiko hanontana amina mpanonta
ampanjifaina. Mankanesa ao amin'ny andininy momba ny fanontana raha
mila antsipirihany.
customPrinterName:
Ny anarana ampiasaina hanondroana
ny baikon'ny mpanonta ampanjifaina eo amin'ny Dinika Manonta.
Mankanesa ao amin'ny andininy momba ny fanontana raha mila
antsipirihany.
defaultAnsicpg:
Ny mari-daharan'ny
peji-maritomboka izay vinavinaina rehefa tsy miaty kirambo rtf 'ansicpg'
ny rakitra. Ampiasaina koa io rehefa mamboatra rakitra vao. Amin'ny
ankapobeny, tsy mety loatra ny manajadona an'ity
vovo ity raha tsy mametraka endritsoratra. Vitsy
dia vitsy ny peji-maritomboka tena zaka. Rehefa tianao hanohana ny
peji-maritombokao aho dia mila ny fanampiana mavitrikao aho hanoltora
rakitra ohatra sy hisedra ny fandrosoako.
*)
Miavaka ny filatron'Akora. Mety ho ilaina ny manajadona vovo Fandrefitany ho ana mpandrindra
hoaka hafa noho ny mwm.
Omena etsy ambany ny anaran-pilatron'Akora.
#)
Mitaky angona tsimiankin-drafikanto ny
totohan-drohindrafi-tahiry mifaobe amin'ny Debian Linux mba hipetraka
ao amin'ny /usr/share. Ny fonosana Ted zarain'ny mpampiely Debina Linux dia mametraka ny tahiry
ao amin'ny /usr/share/Ted/afm,
/usr/share/Ted/ind sy
/usr/share/Ted/info, raha
asesy. Mety hiakoan'ny dingana tampony makefile Ted ny sanda
mijotson'ireo lahatahiry ireo.
Azo atao ny mampiasa
endritsoratra ambonin'ny Times, Symbol, ary Courier avy amin'i Ted. I Ted dia afaka mampiasa endritsoratra manan-tahiry .afm ao anaty
/usr/local/afm izay mety hahitana tandrify X11. Lazaiko etsy ambany ny
fanitarana an'io fehezan'endritsoratra io ho angona Adobe base35
izay misy anatin'ny ankabeazan'ny mpanonta sy anaty GhostScript.
Ireto manaraka ireto no vinavinaiko:
•
Nampidininao ny tahiry AFM mifanaraka avy ao amin'ny
lahatahiry /pub/adobe/type/win/all/afmfiles/base35 ao amin'ny
ftp://ftp.adobe.com. Io ny tahiry rehetra ao amin'ny lahatahiry
analana an'ireo Helvetica Condensed.
•
Nesorinao ireo tarehintsoratra mpitatitra maniditra eo amin'ny
vodilaharan'ny tahiry something.afm, ary nesorinao avy tao amin'ny
tahiry ny tarehintsoratra faran'ny Control-Z.
•
Ianao dia nahazo ny fehezan'endritsoratra parasora karazana
1 izay fandraisan'ny orinasa alemana URW++ anjara amin'ny
GhostScript. E.G. tamin'ny fanatsoahanao azy avy amin'ny CD-ROM
manaraka ny boky: Merz, Thomas, "Postscript & Acrobat/PDF",
Springer-Verlag, Berlin &c, 1996, ISBN 3-540-60854-0.
Araho ireto manaraka ireto:
•
Adikao ao amin'ny /usr/local/afm ny tahiry afm. Na esorina
ny tahiry napetrk'i Ted
ao, na tsy apetrakao ny tahiry .afm ho an'ny endritsoratra efa
manan-tahiry .afm avy amin'i Ted. Tadidio ny fanamarihana mikasika ny fiverenam-pitatitra sy ny
tarehitsoratra control.z.
•
Apetraho anaty lahatahiry ny endritsoratra URW++. Raha vao
napetrakao ny lahatahiry X11 Karazana1 dia ampifanaraho ny tahiry fonts.dir
sy fonts.scale ao. Raha apetrakao anaty lahatahiry miasaraka dia ampio ny
lahatahirin'ny lalan'endritsoratry mpandroso X11. E.G. amin'ny
fanisihana andalana toa ny xset fp+
/home/gaai/mark/URW-Fonts/ ao amin'ny
$(HOME)/.xinitrc. Omena etsy ambany ny andalana ho an'ny endritsoratra
hafa hasisika ao amin'ny fonts.dir sy fonts.scale. Ny andalana
voalohany ao amin'ny tahiry dia milaza ny isan'ny endritsoratra.
Mba tsy hanahirana anao dia ampidirina ao anaty ohatra ny andalana sasany
rehetra.
•
Mametraha soritsarisary ao amin'ny endritsoratra X11 izay
ho ampiasaina eo amin'ny fidisana avy ao amin'ny
anaran'endritsoratra mifaoben'ny mpanonta Parasora. Ao amin'ny
ohatra omeko dia mampiasa ny endritsoratra URW++ izay napetraka tao
amin'ny dingana eo aloha aho. Mba tsy hanahirana anao dia nampidirina
daholo ny andalana rehetra. Marihina fa misolo ho anaran'endritsoratra
parasora ny anaran-tahirin'endritsoratra, ary misolo ho kintana ny
aotra rehetra. Nofafako ny andalana ho an'ny endritsoratra
manara-dalana satria tsara endrika kokoa ny endritsoratra mahazatra noho
ireo azo vaniana tetika. Rehefa mahitsy mazava ihany ny soritsarisary avy
amin'ny anaran'endritsoratra ParaSora mankao amin'ny anarana
X11 vao mivoana ity dingana ity. Torak'izany koa fitrandrahana
manokana mifaobe izahana endritsoratra X11 miaraka amina ParaSora araky ny
lazainao an'i Ted ao
anaty ny tahiry.
Ireto manaraka ireto ny andalana izay
asisika ao anatin'ny fonts.dir sy fonts.scale ho an'ny
endritsora-tsamy hafa URW++ :
a010013l.pfb -urwpp-urw gothic
l-book-r-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
a010015l.pfb -urwpp-urw gothic
l-demi-r-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
a010033l.pfb -urwpp-urw gothic
l-book-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
a010035l.pfb -urwpp-urw gothic
l-demi-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
b018012l.pfb -urwpp-urw bookman
l-regular-r-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
b018015l.pfb -urwpp-urw bookman
l-bold-r-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
b018032l.pfb -urwpp-urw bookman
l-regular-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
b018035l.pfb -urwpp-urw bookman
l-bold-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
c059013l.pfb -urwpp-century schoolbook
l-roman-r-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
c059016l.pfb -urwpp-century schoolbook
l-bold-r-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
c059033l.pfb -urwpp-century schoolbook
l-regular-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
c059036l.pfb -urwpp-century schoolbook
l-bold-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
d050000l.pfb
-urwpp-dingbats-regular-r-normal--0-0-0-0-p-0-adobe-fontspecific
n019003l.pfb -urwpp-nimbus sans
l-regular-r-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
n019004l.pfb -urwpp-nimbus sans
l-bold-r-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
n019023l.pfb -urwpp-nimbus sans
l-regular-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
n019024l.pfb -urwpp-nimbus sans
l-bold-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
n019043l.pfb -urwpp-nimbus sans
l-regular-r-narrow--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
n019044l.pfb -urwpp-nimbus sans
l-bold-r-narrow--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
n019063l.pfb -urwpp-nimbus sans
l-regular-i-narrow--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
n019064l.pfb -urwpp-nimbus sans
l-bold-i-narrow--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
n021003l.pfb -urwpp-nimbus roman no9
l-regular-r-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
n021004l.pfb -urwpp-nimbus roman no9
l-bold-r-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
n021023l.pfb -urwpp-nimbus roman no9
l-regular-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
n021024l.pfb -urwpp-nimbus roman no9
l-bold-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
n022003l.pfb -urwpp-nimbus mono
l-regular-r-normal--0-0-0-0-m-0-iso8859-1
n022004l.pfb -urwpp-nimbus mono
l-bold-r-normal--0-0-0-0-m-0-iso8859-1
n022023l.pfb -urwpp-nimbus mono
l-regular-i-normal--0-0-0-0-m-0-iso8859-1
n022024l.pfb -urwpp-nimbus mono
l-bold-i-normal--0-0-0-0-m-0-iso8859-1
p052003l.pfb -urwpp-urw palladio
l-roman-r-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
p052004l.pfb -urwpp-urw palladio
l-bold-r-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
p052023l.pfb -urwpp-urw palladio
l-regular-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
p052024l.pfb -urwpp-urw palladio
l-bold-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
s050000l.pfb -urwpp-standard symbols
l-regular-r-normal--0-0-0-0-p-0-adobe-fontspecific
z003034l.pfb -urwpp-urw chancery
l-medium-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
Omena ao amin'ireto andalana manaraka
ireto ny famadihana avy ao amin'ny anaran'endritsoratra ParaSora
amboniny mankao amin'ny anaran'endritsoratra x ao amin'ny
/usr/local/afm/xfonts.dir is given:
AvantGarde-Book -urwpp-urw gothic
l-book-r-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
AvantGarde-Demi -urwpp-urw gothic
l-demi-r-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
AvantGarde-BookOblique -urwpp-urw gothic
l-book-i-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
AvantGarde-DemiOblique -urwpp-urw gothic
l-demi-i-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
Bookman-Light -urwpp-urw bookman
l-regular-r-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
Bookman-Demi -urwpp-urw bookman
l-bold-r-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
Bookman-LightItalic -urwpp-urw bookman
l-regular-i-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
Bookman-DemiItalic -urwpp-urw bookman
l-bold-i-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
NewCenturySchlbk-Roman -urwpp-century
schoolbook l-roman-r-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
NewCenturySchlbk-Bold -urwpp-century
schoolbook l-bold-r-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
NewCenturySchlbk-Italic -urwpp-century
schoolbook l-regular-i-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
NewCenturySchlbk-BoldItalic -urwpp-century
schoolbook l-bold-i-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
ZapfDingbats
-urwpp-dingbats-regular-r-normal--*-*-*-*-p-*-adobe-fontspecific
Helvetica-Narrow -urwpp-nimbus sans
l-regular-r-narrow--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
Helvetica-Narrow-Bold -urwpp-nimbus sans
l-bold-r-narrow--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
Helvetica-Narrow-Oblique -urwpp-nimbus sans
l-regular-i-narrow--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
Helvetica-Narrow-BoldOblique -urwpp-nimbus
sans l-bold-i-narrow--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
Palatino-Roman -urwpp-urw palladio
l-roman-r-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
Palatino-Bold -urwpp-urw palladio
l-bold-r-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
Palatino-Italic -urwpp-urw palladio
l-regular-i-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
Palatino-BoldItalic -urwpp-urw palladio
l-bold-i-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
ZapfChancery-MediumItalic -urwpp-urw
chancery l-medium-i-normal--*-*-*-*-p-*-iso8859-1
Rehefa nampitatra ny
fehezan'endritsoratra azonao ampiasaina amin'ny solosainao ianao
dia mety ho te-hanonta rakitra mampiasa endritsoratra fanampiny koa. Tena
mora mihitsy ny mampiakatra fehezan'endritsoratra ao amin'ny
mpanontanao. Omeo ity baikon'akora manaraka ity ao amina lahatahiry
izay miaty ny endritsoratra tianao ampiakarina ao amin'ny rafitra
something.pfa na something.pfb:
(
echo serverdict begin 0 exitserver
cat *.pfa *.pfb
) | lpr
Mahazaka ny ny endritsoratra avy ao amin'ny
tahirin'endritsoratrao ny mpanonta mandra-pamonoana azy.
Novolavolaina hampiasa
Soradasitra i Ted. Natao
tamin'ny `Motif Window Manager' ny ankabeazan'ny fisedrana.
Azafady mariho ireto manaraka ireto rehefa mampiasa mpandrindra hoaka hafa
ianao:
•
Manao
zavatra mahery setra toy ny famonoana fampiharana X11 ny mpandrindra hoaka
toy ny fwm. Tsy voaaro
amin'ny fanefitry ny herisetram-batana i Ted.
•
Mety
hitondra sorisory ny mpandrindra hoaka izay mitaky anao hametraka hoaka
amin'ny fomba mifanerasera. Mety ho ilaina ny manome
vovom-Pandrefitany izay manome toera-midoko sy habe midoko ho an'ny
hoaka. Mihatra amin'ny hoaka rehetra ny fanoritana ny Ted*Geometry. Ampiasao ny anarana omena
etsy ambany hanomezana ny Fandrefitany ho an'ny hoaka samy hafa.
Mahazaka mpandrindra
fotoan'asa toa ny an'i KDE na CDE i Ted na dia misy fetra ihany aza. Rehefa miteny amin'i Ted hampirina ny toetrany sy mamela an'i Ted hifanerasera amin'ny mpampiasa
ny mpandrindra fotoan'asa dia anontanian'i
Ted ny mpampiasa raha te-hitahiry ny asany rehefa
te-hiala amin'ny fampiharana iny indrindra izy, dia misintona i Ted. Rehefa voarara ny fifaneraserana
dia tahirizin'i Ted ao
amin'ny lahatahiry $HOME/.Ted ny rakitra tsy voatahiry, dia ilazany ny mpandrindra fotoan'asa
hampanomboka indray ny fotoan'asa amin-tsafidin'andalam-baiko
voatokana mba hanesefana indray ny rakitra tsy voatahiry.
Mety mila mampijadona
vovo Fandrefitany ho an'ny filatro'Akora ny mpandrindra hoaka
hafa noho ny mwm. Ireto
ambany ireto ny anaran'akora.
Hoakan-Drakitra
TedDocument
Fitaovam-Pizaha
TedFindTool
Fitaovan-Tsipelina
TedSpellTool
Fitaovan'Endritsoratra
TedFontTool
Fitaovana
Manisi-Sariohatra SymbolPicker
Dinika Rohibe
TedHyperlink *)
Dinika Tsoratadidy
TedBookmark *)
Dinika Manonta
TedPrintDialog *)
Dinika Taratasy
TedMailDialog *)
Dinika Toetra Mampiavaka
TedPropertyDialog *)
Dinika Hafatra
TedMessageDialog *)
Noho izany, ny
fampidirana ny andalana 'TedDocument*geometry: 600x800' anaty $HOME/.Xdefaults na $HOME/Ted dia mametra ny habe niaingan'ny
hoakan-drafitra hanana saka 600 pikisela sy haavo 800 pikisela.
*) Tsy
ilaina ny vovo Fandrefitany amin'ny ankapobeny.
Mahazaka fanendry
mamboatra ny famahanana ao an-toerana izay navangongo ao amin'ny
tranomboky X11. Indraindray tsy voaendrika izy io; indraindray voatery
manandrana fanendry maro ianao izay vao mahita azy. Amin'ny
endri-tseho Xfree386 talohaloha, ny mamboatra (Multi_key) dia ilay
mianara-petaka ScrollLock amin'ny hela-panendry amerikana. Tsy
voaendrika foana izy io amin'ny endri-tseho vaovao. Afaka mampiendrika
fanendry mamboatra ianao amin'ny fanisihana andalana toa ny xmodmap -e 'keycode 78 = Multi_key' ao amin'ny tahirinao manokana
.xinitrc file.
Tsy misy fanendry
BackSpace voaendrika ao amin'ny X11. Ny fanendry hebaivoho rehetra dia
voaendrika ho fanendry Mamafa. Raha toa ka mamafa ny tarehintsoratra eo
aorian'ny Tsatoka-| ny fanindriana fanendry hebaivoho dia mampiendreha
fanendry hebaivoho. Azo atao amin'ny baiko
xmodmap -e 'keycode 22 = BackSpace' ao
amin'ny Xfree386 io.
Mihatra amin'ny endri-tseho X11 sasany
ny fanamarihana tahaka an'ireo.
Alaovy ny mari-tomboky
loharano avy ao amin'ny tananam-pampidinana ftp://ftp.nluug.nl/pub/editors/Ted raha hanangona sy hampitohy an'i
Ted. Vahao ny jarirakitra dia araho ny torolalana
etsy ambany. Raha mampiasa endri-tseho Unix hafa noho ny Linux ianao dia
ataovy an-tsaina fa ny fanamboaram-ponosana zaraina dia mampiasa ny
fifatrarana gzip sy
drafi-pehezanteny miseho toa root:root. Na dia mihodina amin-tandrafitra X
Windows rehetra aza ny azo tanterahina mirohy midokon'i Ted dia mila tontolo
manorin-tsarilasitra raha hanangona sy hampitohy an'i Ted. Raha tsy manana ianao dia
afa-mampiasa ny LessTif izay fampiharan-tsarilasitra bojo. Efa nosedraina
tamin'ny LessTif i Ted,
ary mety tsara ny filaroan'izy ireo na dia misy mampiavaka azy vitsy
aza. Azo alaina avy ao amin'ny http://www.lesstif.org ny LessTif. Azona ampiasaina ny Open Motif zarain'ny vory
mivoha hampifanoloana amin'io. Mankanesa ao amin'ny to http://www.opengroup.org/openmotif.
Azo angonina amin'ny vatam-pitaovana GTK+ 1.2.8 i Ted. Tsy feno ny endritseho GTK ary
tokony ho raisina toy ny dingana mankamin'ny lalana marina fa tsy toy
ny rindranasa efa vita.
Mety hila ny iray na
mihoatra amin'ny tranombokin-kisarisary mivelatra izay ampiasain'i Ted ianao ankoatra ny tontolo
fanamboaran-tsarilasitra:
•
Libtiff
an'i Sam Leffler. Ampidino io raha tsy anananao.
•
Libjpeg
ana tarika mahaleotena JPEG. Ampidino io raha tsy anananao. Version 6 no
takiana hampidinana azy. Raha mitaraina mombana sariohatra tsy voafaritra
toy ny jpeg_std_error ny
lapy mpandrohy dia endritseho 5 izany no ampiasainao.
•
Libpng
an'ny tarika PNG. Ampidino io raha tsy anananao. Mila ny “zlib”
an-dry Jean-loup Gailly sy Mark Adler koa ianao. Ampidino io raha tsy
anananao.
•
LibXpm
an'i Arnaud Le Hors ao amin'ny Groupe Bull. Ampidino io raha tsy
anananao.
Te-haneho ny
fankasitrahako ho an'ny mpanoratra ny rindranasan-tranomboky bojo
rehetra ampiasaiko ho an'i Ted aho. Raha tsy teo izy ireo dia tsy ho azo natao ny soritrasa
toa an'i Ted. Miantefa
amin'ny mpanoratra an'ny LessTif ny fisaorana amboniny iray
mihodidina, izay namorona ny solon-tsafidy azo iriranana sy tsara kalitao
OSF Motif.
Miteraka lahatahiry Ted-<version> ny famahana ny
jariraki-doharano. Mahazaka tranomboki-kisarisary sasany izay tsy napetraka
mialoha ao anaty tandrafitra ny totoha-panavangongoana.
Vinavinaina fa efa
voapetraka ao amin'ny lahatahiry izy ireo, fa misy rohy avy
amin'anarana tambabe mankamina endritseho miankina, fa nahomby ny
fanavangongoana ny tranomboky. Atao amin'ny baiko make ao amin'ny lahatahiry Ted-<version> fotsiny ny
fanavangongoana ny azo tanterahina. Tsy ilaina ny miantso ny configure satria atao amin'ny make io. Azonao atao ny manova
safidim-panavangongoana sasany amin'ny fandrariana ny dingana tampony
makefile. Mankanesa ao amin'ny fanamarihana eo ambony amin'ny
tahiry. Misy azo tanterahina Ted ao amin'ny lahatahiry Ted rehefa mahomby ny make. Antsoy ny make package raha hanao fonosam-pametrahana. Tsy maintsy atao amin'ny maha-faka io. Efa vonona izao ny
fonosam-pametrahana TedPackage/Ted_<platform>.tar.gz is now
ready. Antsoy ny make install
raha hametraka azy ao anaty milinao. Tsy maintsy amin'ny maha-faka no anaovana ny fametrahana.
Ireo izay tsy afaka mandia ny dingana farany amin'ny maha-faka dia
afaka miantso make private
raha te-hanao fametrahana manokana. Hanoso-kevitra amin'ny fanovana
ilaina amin'ny .Xdefaults na .Xresources ny antso make private mba hihodina avy amina
fametrahana manokana. Ny azo atao farany dia ny mandika ny azo tanterhina Ted amina toerana mety amin'izany,
sy mamaha ny tahiry mifandraika avy amin'ny jarirakitra TedPackage/TedBindist.tar. Mankanesa ao amin'ny tsinjara momba ny
fametrahana sy fampiendrehana raha mila antsipirihany.
Tsy misy sarilasitra sy
tahirim-boky X midoko azo alaina amin'ny lapihazo sasany, indrindra ny
Sun-Solaris.
Ho an'ireo lapihazo
ireo, sy ho an'ireo mafana fo amin'ny tranomboky iombonana, ny
solon-tsafidy make dia
mitily ny compile.shared, package.shared, ary install.shared izay azo
alaina.
Misy oha-drindranasa roa
ahafahana manorina rakibolan-tsipelina ho an'i
Ted ao amin'ny tanana an-tranokalan'i Ted na ao amin'ny
lahatahirin-doharanon'ny kapila mifatratra. Tsy tokony ho sarotra
loatra ny manorina tahiry Language.ind raha jerena amin'ireo ohatra
ireo. Rehefa mametraka an'io tahiry io anaty lahatahirin-drakibolana
manokana ianao, na ao amin'ny tandrafitra manontolo, dia mipoitra eo
amin'ny fitaovan-tsipelina ny `Language', ary azonao atao ny
manamarin-tsipelina amin'io teny io. Jereo ao amin'ny ny tsinjara
momba ny vovo azo ampiendrehana ny toerana azo ametrahana ny tahiry
Language.ind.
Ireto no ilaina raha hampiasa an'ireo
ohatra ireo:
•
Ny
mari-tomboky ny ohatra.
•
Ao
amin'ny ohatra dia ampiasaina ny felanasa
ispell amin'ny fanaovana fanamarinana avy ao
amin'ny tahirin-tsiry sy rakibolana. Hita ao amin'ny
ftp.cs.ucla.edu io
•
Ampiasaina
ao amin'ny ohatra ny felanasa frantsay “épelle” amin'ny
fanaovana fanamarinana avy amina tandaha-teny mitokatokana. Azo alaina avy
ao amin'ny ftp://ftp.inria.fr ny
felanasan-tsipelina frantsay.
Mankanesa ao amin'ny
tanana ispell raha mila tandaha-drakibolan-tsipelina sy ny matoam-pelanasa ispell.
Ny rakibolan-tsipelina
dia notsoahina avy amin'ny takibolana ispell ankoatry felanasa frantsay sy holandezy. Ny rakibolana sy ny
tahirin-tsiry ihany no ampiasaiko. Amina mpisaina mivoitena voafetra no
mifototra ny mpanamariko fa tsy amim-poti-javatra. I Geoff Kuenning no
mpanoratra ny matoan-drindranasa ispell sy loharanon-kevitry ny tahirin-tsiry. Azo alaina avy ao
amin'ny GNU sy
ftp.cs.ucla.edu (131.179.128.34) ny ispell. Ny rakibolana amerikana sy
britanika dia nirantsana avy amin'ny felanasa
ispell. Tsotra tokoa i Geoff Kuenning ka navelany
hampiasa ny rakibolana ispell
aho.
•
An'i
Björn Jacke ny felanasa alemana ispell ary azo alaina avy ao amin'ny http://www.suse.de/~bjacke/igerman98.
Fampifanarahana ny fiasan'i Heinz Knutzen amin'ny
fitsipi-panoratana alemana vaovao io. Ny felan'asan'i Heinz
Knutzen dia azo alaina ao amin'ny
ftp://ftp.informatik.uni-kiel.de/pub/kiel/dicts/hk-deutsch.tar.gz. Tsotra
tokoa i Heinz Knutzen ka navelany hampiasaiko ny takibolany ispell.
•
An'i
Santiago Rodríguez sy Jesús Carretero ao amin'ny Universidad
Politecnica de Madrid ny ispell esipaniola ary azo alaina ao amin'ny
ftp://ftp.fi.upm.es/pub/unix/espa~nol.tar.gz.
•
An'i
Ulisses Pinto sy José João Almeida ao amin'ny Universidade do Minho
ny ispell portigizy ary azo
alaina ao amin'ny
ftp://http://www.di.uminho.pt/~jj/pln/UMportugues.tgz. Tsotra i José João
Almeida ka namela ahy hampiasa ny rakibolana ispell.
•
Avy
amin'i Paul Zimmermann ao Inria Lorraine ny felanasa frantsay ary azo
alaina ao amin'ny
ftp://ftp.inria.fr.
Tsotra i Paul Zimmermann ka navelany hampiasa ny takibolany aho amin'ny
dika bojon'i Ted.
•
Nipoitra
avy amin'ny felanasan'i Jan van Bakel, Dick Grune sy Patrick
Groeneveld ny felanasan-tsipelina holandezy. Nampiako teny maro sy
nampifanarahiko tamin'ny fitsipi-panoratana vaovao ny felanasa. Azo
alaina ao amin'ny ftp://donau.et.tudelft/pub/words/groen
ny matoan-pelanasa.
•
Mifototra
amin'ny rakibolana sy tahirin-tsirin'i Pavel Chalmovianský izay
azo alaina avy amin'ny http://www.uniba.sk/~chalmo ny felanasan-tsipelina slovakiana.
•
Atao
amin'ny endritseho namboarina avy tamin'ny tranomboky regex-n'i
Henry Spencer, ao amin'ny University of Toronto ny fitadiavana fiteny
manara-pitsipika. Mikasika ny fandrindranasa C ny ankamaroan'ny
fanamboarana natao fa tsy mikasika ny fahafaha-miasa. Nampiako fizarana ny
fitadiavana mitamberina (Zahao EoAloha). Azo alaina ao amin'ny ftp://ftp.cs.toronto.edu/pub/regex.shar.Z ny matoan-doharano.
•
Mifototra
amin'ny mari-tomboky ny namako sy mpiara-miasa amiko Rob Vonk ny
fahafaha-mandefa taratasy avy amin'i Ted.
•
Nadikan'i
Jean Peyratout ho amin'ny teny frantsay ny tahirim-bovo. Nataon'i
Odile Bénassy ao amin'ny soritrasa TINY
Linux ny dikateny voalohany.
•
I
Peter Ivanyi no nandika ny tahirim-bovo ho amin'ny teny slovaky.
•
I
Kenneth Bernholm no nandika ny tahirim-bovo ho amin'ny teny danisy.
•
I
Kristof Petr dia sady nandika ny tahirim-bovo ho amin'ny teny tseky no
nandray anjara betsaka amin'ny fampahazakana alifabeta Laina 2 an'i Ted.
•
I
Eric Lecluse sy i Hans Harder no nandika ny tahirim-bovo ho amin'ny
teny holandezy.
•
I
Axel Schwarzer no nandika ny tahirim-bovo ho amin'ny teny alemana.
•
I
Peter Feher no nandika ny tahirim-bovo ho amin'ny teny hongoriana.
Mari-tombo-doharano mivelatra no nampiasaina
tamina karazan-tahirin-tsary sasany:
•
Tanterahina
miaraka amin'ny libtiff-n'i Sam Leffler's libtiff izay azo
alaina ao amin'ny ftp.uu.net/graphics/tiff ny fahazakan-tsary TIFF.
•
Tanterahina
miaraka amin'ny libpng-n'ny tarika PNG ny fahazakan-tsary PNG.
Azo alaina ao amin'ny ftp.uu.net in the directory /graphics/png. Ny
libpng indray dia mampiasa ny zlib-n'i Jean-loup Gailly sy Mark Adler
amin'ny famatrarana angona. Ny tanana ara-panjakanan'ny zlib ftp
dia ftp://ftp.uu.net/pub/archiving/zip/zlib/.
•
Efaina
miaraka amin'ny libjpeg-n'ny Independent JPEG groups ny
fahazakan-tsary JPEG ary azo alaina ao amin'ny ftp.uu.net in the
directory graphics/jpeg.
•
Mampiasa
ny libXpm nataon'i Arnaud Le Hors ao amin'ny Groupe Bull ny
fahazakan-tsary XPM pictures uses. Ny loharano dia azo alaina ao amin'ny
ftp://ftp.x.org/contrib.
•
Nindramina
avy amin'ny libgif nataon'i Gershon Elber sy Eric S. Raymond ny
fahazakan-tsary GIF. Raha mila fanampim-panazavana dia mankanesa ao amin'ny
pejin-tranon'ny giflib:
http://prtr-13.ucsc.edu/~badger/software/giflib.shtml.
Eo amin'ny zoro
ambany havian'ny sila-kazo nataon'i Albrecht Dürer taona 1510 ny
sarin-jazalahy mpianatra manoratra ao amin'ny hoakam-pampiharana.
Maneho mpampianatra mampianatra ankizy izy io. Ity ny filamatrany: Wer recht bescheyden wol werden, Der pit got trum bye auff erden.
Mpanoratra
Mark de Does
Avrily 15, 2001
===========
Voambolana:
RTF: RevaTsoratraFirafitra
HTML: HaiTenyMisongaLafatra
AFM: Adobe Firafi-Metatra
HTML (Hyper Text Markup Language) = HTML
(Haavon-TenyMarikaLafatra)
PDF (portable document format):
Firafi-Draki-Panday
RPM (RedHat Package Manager) : RedHat
Mpandamim-Ponosana
PostScript = ParaSora (“f” afa-mifanolo
toerana amin'ny 'p'; ohatra: Parany (anaran'olona =
farany); ny `sora' dia `soratra' amin'ny fitenim-paritra
sasany); ny `script' dia `sora-tanana' no dikany voalohany; ny
`post' dia `afara')
break = fira
carbon copy = iraidika
facsimile = tahadika
character = maritsoratra
font = endritsoratra
clip board = hela-tsilaka
choice = fantina
code = mari-tomboka
coding = famarihan-tomboka
configure = mampiendrika
configuration = fampiendrehana
facsimile = tahadika
facsimile telegraph = mpanahadika
find = mizaha
hela-panendry = keyboard
heuristics = fitrandrahana manokana
motif = sarilasitra
particular = miavaka
private = manokana
customize = ampanjifaina
provider = mpiahy
server = mpikarakara
host = mpandroso
resource = vovo, vovon-kevitra
source = loharano
archive = jarirakitra
scaled = tetehina mivany
select = mampivohitra
selecTed = navohitra
selection = mivohitra
option = safidy
choose = mifantina
alternative = fandiasina
server =
to set = manajadona
set = fehezana
shell = akora
strip = tsoripika